고린도전서 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 고린도전서 (1 Corinthians) · 23절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’ izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin’ izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’ i Kristy. | And I, brethren, could not speak unto you as unto spiritual, but as unto carnal, even as unto babes in Christ. |
| 2 | Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza, | I have fed you with milk, and not with meat: for hitherto ye were not able to bear it, neither yet now are ye able. |
| 3 | fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon’ ny olona? | For ye are yet carnal: for whereas there is among you envying, and strife, and divisions, are ye not carnal, and walk as men? |
| 4 | Fa raha hoy ny anankiray: Izaho an’ i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an’ i Apolosy, moa tsy olona ihany va ianareo? | For while one saith, I am of Paul; and another, I am of Apollos; are ye not carnal? |
| 5 | Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen’ ny Tompo azy avy. | Who then is Paul, and who is Apollos, but ministers by whom ye believed, even as the Lord gave to every man? |
| 6 | Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. | I have planted, Apollos watered; but God gave the increase. |
| 7 | Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy. | So then neither is he that planteth any thing, neither he that watereth; but God that giveth the increase. |
| 8 | Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy. | Now he that planteth and he that watereth are one: and every man shall receive his own reward according to his own labour. |
| 9 | Fa mpiara-miasa amin’ Andriamanitra izahay; ary sahan’ Andriamanitra sy trano arafitr’ Andriamanitra ianareo. | For we are labourers together with God: ye are God’s husbandry, ye are God’s building. |
| 10 | Araka ny fahasoavan’ Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon’ ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny. | According to the grace of God which is given unto me, as a wise masterbuilder, I have laid the foundation, and another buildeth thereon. But let every man take heed how he buildeth thereupon. |
| 11 | Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy. | For other foundation can no man lay than that is laid, which is Jesus Christ. |
| 12 | Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin’ ny fanorenana, | Now if any man build upon this foundation gold, silver, precious stones, wood, hay, stubble; |
| 13 | dia haseho avokoa ny asan’ ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’ afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra, amin’ ny afo ny asan’ ny olona rehetra. | Every man’s work shall be made manifest: for the day shall declare it, because it shall be revealed by fire; and the fire shall try every man’s work of what sort it is. |
| 14 | Raha maharitra ny asan’ ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy. | If any man’s work abide which he hath built thereupon, he shall receive a reward. |
| 15 | Raha ho levon’ ny afo ny asan’ ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ ny afo ihany izy. | If any man’s work shall be burned, he shall suffer loss: but he himself shall be saved; yet so as by fire. |
| 16 | Tsy fantatrareo va fa tempolin’ Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin’ Andriamanitra mitoetra no anatinareo? | Know ye not that ye are the temple of God, and that the Spirit of God dwelleth in you? |
| 17 | Raha misy manimba ny tempolin’ Andriamanitra, dia mba hosimban’ Andriamanitra kosa izy; fa masìna ny tempolin’ Andriamanitra, dia ianareo izany. | If any man defile the temple of God, him shall God destroy; for the temple of God is holy, which temple ye are. |
| 18 | Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin’ izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry. | Let no man deceive himself. If any man among you seemeth to be wise in this world, let him become a fool, that he may be wise. |
| 19 | Fa ny fahendren’ izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’ Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ny hafetsen’ ny hendry ihany no entiny misambotra azy. | For the wisdom of this world is foolishness with God. For it is written, He taketh the wise in their own craftiness. |
| 20 | Ary indray: Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry fa zava-poana izany | And again, The Lord knoweth the thoughts of the wise, that they are vain. |
| 21 | Ka dia aza misy manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra: | Therefore let no man glory in men. For all things are yours; |
| 22 | na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy; dia anareo izany rehetra izany; | Whether Paul, or Apollos, or Cephas, or the world, or life, or death, or things present, or things to come; all are yours; |
| 23 | ary ianareo an’ i Kristy ary Kristy an’ Andriamanitra. | And ye are Christ’s; and Christ is God’s. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL