고린도전서 16장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 고린도전서 (1 Corinthians) · 24절
- 1 Ary ny amin’ ny famoriam-bola ho an’ ny olona masìna, dia mba manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon’ ny fiangonana any Galatia.
- 2 Amin’ ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’ inona na amin’ inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako.
- 3 Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema.
- 4 Ary raha tokony handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo.
- 5 Hankatỳ aminareo aho, rehefa namaky an’ i Makedonia ― fa hamaky an’ i Makedonia aho ―
- 6 ary angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy amin’ izay halehako.
- 7 Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo aminareo aho, raha sitrapon’ ny Tompo.
- 8 Nefa hitoetra any Efesosy aho mandra-pihavin’ ny Pentekosta;
- 9 fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra.
- 10 Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan’ ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa.
- 11 Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga atỳ amiko; fa miandry azy mbamin’ ny rahalahy sasany aho.
- 12 Ary ny amin’ i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin’ ny rahalahy hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin’ izany; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy.
- 13 Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.
- 14 Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ ny fitiavana.
- 15 Fantatrareo ny ankohonan’ i Stefanasy, fa voaloham-bokatr’ i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin’ ny fanompoana ny olona masìna; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy,
- 16 mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo.
- 17 Faly aho noho ny fihavian’ i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo;
- 18 fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny.
- 19 Manao veloma anareo ny fiangonana atỳ Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin’ ny tompo Akoila sy Prisila mbamin’ ny fiangonana izay ao an-tranony.
- 20 Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin’ ny fanorohana masìna.
- 21 Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma.
- 22 Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona izy. Maran ata.
- 23 Ho aminareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompo;
- 24 ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy. Amena.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗