고린도전서 16장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 고린도전서 (1 Corinthians) · 24절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary ny amin’ ny famoriam-bola ho an’ ny olona masìna, dia mba manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon’ ny fiangonana any Galatia. | Now concerning the collection for the saints, as I have given order to the churches of Galatia, even so do ye. |
| 2 | Amin’ ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’ inona na amin’ inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako. | Upon the first day of the week let every one of you lay by him in store, as God hath prospered him, that there be no gatherings when I come. |
| 3 | Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema. | And when I come, whomsoever ye shall approve by your letters, them will I send to bring your liberality unto Jerusalem. |
| 4 | Ary raha tokony handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo. | And if it be meet that I go also, they shall go with me. |
| 5 | Hankatỳ aminareo aho, rehefa namaky an’ i Makedonia ― fa hamaky an’ i Makedonia aho ― | Now I will come unto you, when I shall pass through Macedonia: for I do pass through Macedonia. |
| 6 | ary angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy amin’ izay halehako. | And it may be that I will abide, yea, and winter with you, that ye may bring me on my journey whithersoever I go. |
| 7 | Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo aminareo aho, raha sitrapon’ ny Tompo. | For I will not see you now by the way; but I trust to tarry a while with you, if the Lord permit. |
| 8 | Nefa hitoetra any Efesosy aho mandra-pihavin’ ny Pentekosta; | But I will tarry at Ephesus until Pentecost. |
| 9 | fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra. | For a great door and effectual is opened unto me, and there are many adversaries. |
| 10 | Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan’ ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa. | Now if Timotheus come, see that he may be with you without fear: for he worketh the work of the Lord, as I also do. |
| 11 | Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga atỳ amiko; fa miandry azy mbamin’ ny rahalahy sasany aho. | Let no man therefore despise him: but conduct him forth in peace, that he may come unto me: for I look for him with the brethren. |
| 12 | Ary ny amin’ i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin’ ny rahalahy hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin’ izany; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy. | As touching our brother Apollos, I greatly desired him to come unto you with the brethren: but his will was not at all to come at this time; but he will come when he shall have convenient time. |
| 13 | Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. | Watch ye, stand fast in the faith, quit you like men, be strong. |
| 14 | Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ ny fitiavana. | Let all your things be done with charity. |
| 15 | Fantatrareo ny ankohonan’ i Stefanasy, fa voaloham-bokatr’ i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin’ ny fanompoana ny olona masìna; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy, | I beseech you, brethren, (ye know the house of Stephanas, that it is the firstfruits of Achaia, and that they have addicted themselves to the ministry of the saints,) |
| 16 | mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo. | That ye submit yourselves unto such, and to every one that helpeth with us, and laboureth. |
| 17 | Faly aho noho ny fihavian’ i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo; | I am glad of the coming of Stephanas and Fortunatus and Achaicus: for that which was lacking on your part they have supplied. |
| 18 | fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny. | For they have refreshed my spirit and yours: therefore acknowledge ye them that are such. |
| 19 | Manao veloma anareo ny fiangonana atỳ Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin’ ny tompo Akoila sy Prisila mbamin’ ny fiangonana izay ao an-tranony. | The churches of Asia salute you. Aquila and Priscilla salute you much in the Lord, with the church that is in their house. |
| 20 | Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin’ ny fanorohana masìna. | All the brethren greet you. Greet ye one another with an holy kiss. |
| 21 | Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma. | The salutation of me Paul with mine own hand. |
| 22 | Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona izy. Maran ata. | If any man love not the Lord Jesus Christ, let him be Anathema Maran-atha. |
| 23 | Ho aminareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompo; | The grace of our Lord Jesus Christ be with you. |
| 24 | ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy. Amena. | My love be with you all in Christ Jesus. Amen. The first epistle to the Corinthians was written from Philippi by Stephanas, and Fortunatus, and Achaicus, and Timotheus. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL