갈라디아서 6장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 갈라디아서 (Galatians) · 18절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ry rahalahy, raha misy olona azon’ ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany. | Brethren, if a man be overtaken in a fault, ye which are spiritual, restore such an one in the spirit of meekness; considering thyself, lest thou also be tempted. |
| 2 | Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’ i Kristy. | Bear ye one another’s burdens, and so fulfil the law of Christ. |
| 3 | Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy. | For if a man think himself to be something, when he is nothing, he deceiveth himself. |
| 4 | Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ ny olon-kafa; | But let every man prove his own work, and then shall he have rejoicing in himself alone, and not in another. |
| 5 | fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra. | For every man shall bear his own burden. |
| 6 | Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an’ izay mampianatra. | Let him that is taught in the word communicate unto him that teacheth in all good things. |
| 7 | Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ ny olona no hojinjany. | Be not deceived; God is not mocked: for whatsoever a man soweth, that shall he also reap. |
| 8 | Fa izay mamafy ho an’ ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ ny nofo; ary izay mamafy ho an’ ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ ny Fanahy. | For he that soweth to his flesh shall of the flesh reap corruption; but he that soweth to the Spirit shall of the Spirit reap life everlasting. |
| 9 | Ary aza mba ketraka amin’ ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ ny fotoan’ andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika. | And let us not be weary in well doing: for in due season we shall reap, if we faint not. |
| 10 | Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ ny olona rehetra, indrindra fa amin’ ny mpianakavin’ ny finoana. | As we have therefore opportunity, let us do good unto all men, especially unto them who are of the household of faith. |
| 11 | Indro ny havaventin’ ny soratra izay soratan’ ny tanako ho aminareo. | Ye see how large a letter I have written unto you with mine own hand. |
| 12 | Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin’ ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany: fandrao henjehina noho ny hazo fijalian’ i Kristy izy. | As many as desire to make a fair shew in the flesh, they constrain you to be circumcised; only lest they should suffer persecution for the cross of Christ. |
| 13 | Fa na dia ny tenan’ izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany ho forana koa ianareo, mba hireharehany amin’ ny nofonareo. | For neither they themselves who are circumcised keep the law; but desire to have you circumcised, that they may glory in your flesh. |
| 14 | Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin’ ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin’ izao tontolo izao. | But God forbid that I should glory, save in the cross of our Lord Jesus Christ, by whom the world is crucified unto me, and I unto the world. |
| 15 | Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao. | For in Christ Jesus neither circumcision availeth any thing, nor uncircumcision, but a new creature. |
| 16 | Ary izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny famindram-po, ary ho amin’ ny Isiraelin’ Andriamanitra. | And as many as walk according to this rule, peace be on them, and mercy, and upon the Israel of God. |
| 17 | Amin’ izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik’ i Jesosy voatomboka eo amin’ ny tenako. | From henceforth let no man trouble me: for I bear in my body the marks of the Lord Jesus. |
| 18 | Ho amin’ ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena. | Brethren, the grace of our Lord Jesus Christ be with your spirit. Amen. Unto the Galatians written from Rome. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL