갈라디아서 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 갈라디아서 (Galatians) · 26절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ho amin’ ny fahafahana no nanafahan’ i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ ny zioga fanandevozana intsony. | Stand fast therefore in the liberty wherewith Christ hath made us free, and be not entangled again with the yoke of bondage. |
| 2 | Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. | Behold, I Paul say unto you, that if ye be circumcised, Christ shall profit you nothing. |
| 3 | Ary lazaiko marina indray amin’ ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy. | For I testify again to every man that is circumcised, that he is a debtor to do the whole law. |
| 4 | Dia tafasaraka amin’ i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin’ ny lalàna; efa lavo niala tamin’ ny fahasoavana ianareo. | Christ is become of no effect unto you, whosoever of you are justified by the law; ye are fallen from grace. |
| 5 | Fa izahay amin’ ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana ny fahamarinana. | For we through the Spirit wait for the hope of righteousness by faith. |
| 6 | Fa ao amin’ i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin’ ny fitiavana. | For in Jesus Christ neither circumcision availeth any thing, nor uncircumcision; but faith which worketh by love. |
| 7 | Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina? | Ye did run well; who did hinder you that ye should not obey the truth? |
| 8 | Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin’ ilay miantso anareo. | This persuasion cometh not of him that calleth you. |
| 9 | Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa. | A little leaven leaveneth the whole lump. |
| 10 | Izaho matoky anareo ao amin’ ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan’ ny fanamelohana, na zovy na zovy izy. | I have confidence in you through the Lord, that ye will be none otherwise minded: but he that troubleth you shall bear his judgment, whosoever he be. |
| 11 | Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana. | And I, brethren, if I yet preach circumcision, why do I yet suffer persecution? then is the offence of the cross ceased. |
| 12 | Enga anie ka hiesotra aza izay mampitabataba anareo. | I would they were even cut off which trouble you. |
| 13 | Fa efa nantsoina ho amin’ ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin’ ny fitiavana. | For, brethren, ye have been called unto liberty; only use not liberty for an occasion to the flesh, but by love serve one another. |
| 14 | Fa tanteraka amin’ ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. | For all the law is fulfilled in one word, even in this; Thou shalt love thy neighbour as thyself. |
| 15 | Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana. | But if ye bite and devour one another, take heed that ye be not consumed one of another. |
| 16 | Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ ny nofo ianareo. | This I say then, Walk in the Spirit, and ye shall not fulfil the lust of the flesh. |
| 17 | Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. | For the flesh lusteth against the Spirit, and the Spirit against the flesh: and these are contrary the one to the other: so that ye cannot do the things that ye would. |
| 18 | Fa raha tarihin’ ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin’ ny lalàna. | But if ye be led of the Spirit, ye are not under the law. |
| 19 | Fa miharihary ny asan’ ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, | Now the works of the flesh are manifest, which are these; Adultery, fornication, uncleanness, lasciviousness, |
| 20 | fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, | Idolatry, witchcraft, hatred, variance, emulations, wrath, strife, seditions, heresies, |
| 21 | fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’ Andriamanitra. | Envyings, murders, drunkenness, revellings, and such like: of the which I tell you before, as I have also told you in time past, that they which do such things shall not inherit the kingdom of God. |
| 22 | Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, | But the fruit of the Spirit is love, joy, peace, longsuffering, gentleness, goodness, faith, |
| 23 | fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. | Meekness, temperance: against such there is no law. |
| 24 | Fa izay an’ Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ ny faniriany sy ny filany tamin’ ny hazo fijaliana. | And they that are Christ’s have crucified the flesh with the affections and lusts. |
| 25 | Raha velon’ ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy. | If we live in the Spirit, let us also walk in the Spirit. |
| 26 | Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona. | Let us not be desirous of vain glory, provoking one another, envying one another. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL