갈라디아서 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 갈라디아서 (Galatians) · 24절
- 1 Paoly Apostoly ― tsy avy tamin’ olona, na tamin’ ny alalan’ olona, fa tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin’ ny maty ―
- 2 mbamin’ ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana atỳ Galatia:
- 3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika,
- 4 Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’ izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon’ Andriamanitra Raintsika;
- 5 ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
- 6 Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin’ izay efa niantso anareo tamin’ ny fahasoavan’ i Kristy ho amin’ ny filazantsara hafa,
- 7 izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran’ i Kristy.
- 8 Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.
- 9 Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy,
- 10 Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin’ olona aho? Raha mbola mila sitraka amin’ olona aho, dia tsy mpanompon’ i Kristy.
- 11 Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin’ ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon’ ny olona izany.
- 12 Fa izaho tsy nandray azy tamin’ olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin’ ny fanambaran’ i Jesosy Kristy ihany.
- 13 Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin’ ny fivavahan’ ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan’ Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy;
- 14 ary nandroso tamin’ ny fivavahan’ ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin’ ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.
- 15 Fa raha sitrak’ Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon’ ineny ny niantso ahy tamin’ ny fahasoavany,
- 16 ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ ny jentilisa, niaraka tamin’ izay dia tsy naka saina tamin’ ny nofo aman-drà aho,
- 17 ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin’ izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray.
- 18 Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an’ i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin’ ny folo andro.
- 19 Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin’ ny Tompo.
- 20 Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan’ Andriamanitra fa tsy mandainga aho.
- 21 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin’ ny tany Syria sy Kilikia aho;
- 22 ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin’ i Kristy, ny tarehiko.
- 23 Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny.
- 24 Ary dia nankalazany an’ Andriamanitra aho.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗