갈라디아서 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 갈라디아서 (Galatians) · 24절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Paoly Apostoly ― tsy avy tamin’ olona, na tamin’ ny alalan’ olona, fa tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin’ ny maty ― | Paul, an apostle, (not of men, neither by man, but by Jesus Christ, and God the Father, who raised him from the dead;) |
| 2 | mbamin’ ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana atỳ Galatia: | And all the brethren which are with me, unto the churches of Galatia: |
| 3 | ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika, | Grace be to you and peace from God the Father, and from our Lord Jesus Christ, |
| 4 | Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’ izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon’ Andriamanitra Raintsika; | Who gave himself for our sins, that he might deliver us from this present evil world, according to the will of God and our Father: |
| 5 | ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. | To whom be glory for ever and ever. Amen. |
| 6 | Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin’ izay efa niantso anareo tamin’ ny fahasoavan’ i Kristy ho amin’ ny filazantsara hafa, | I marvel that ye are so soon removed from him that called you into the grace of Christ unto another gospel: |
| 7 | izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran’ i Kristy. | Which is not another; but there be some that trouble you, and would pervert the gospel of Christ. |
| 8 | Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. | But though we, or an angel from heaven, preach any other gospel unto you than that which we have preached unto you, let him be accursed. |
| 9 | Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy, | As we said before, so say I now again, If any man preach any other gospel unto you than that ye have received, let him be accursed. |
| 10 | Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin’ olona aho? Raha mbola mila sitraka amin’ olona aho, dia tsy mpanompon’ i Kristy. | For do I now persuade men, or God? or do I seek to please men? for if I yet pleased men, I should not be the servant of Christ. |
| 11 | Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin’ ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon’ ny olona izany. | But I certify you, brethren, that the gospel which was preached of me is not after man. |
| 12 | Fa izaho tsy nandray azy tamin’ olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin’ ny fanambaran’ i Jesosy Kristy ihany. | For I neither received it of man, neither was I taught it, but by the revelation of Jesus Christ. |
| 13 | Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin’ ny fivavahan’ ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan’ Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy; | For ye have heard of my conversation in time past in the Jews’ religion, how that beyond measure I persecuted the church of God, and wasted it: |
| 14 | ary nandroso tamin’ ny fivavahan’ ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin’ ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra. | And profited in the Jews’ religion above many my equals in mine own nation, being more exceedingly zealous of the traditions of my fathers. |
| 15 | Fa raha sitrak’ Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon’ ineny ny niantso ahy tamin’ ny fahasoavany, | But when it pleased God, who separated me from my mother’s womb, and called me by his grace, |
| 16 | ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ ny jentilisa, niaraka tamin’ izay dia tsy naka saina tamin’ ny nofo aman-drà aho, | To reveal his Son in me, that I might preach him among the heathen; immediately I conferred not with flesh and blood: |
| 17 | ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin’ izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray. | Neither went I up to Jerusalem to them which were apostles before me; but I went into Arabia, and returned again unto Damascus. |
| 18 | Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an’ i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin’ ny folo andro. | Then after three years I went up to Jerusalem to see Peter, and abode with him fifteen days. |
| 19 | Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin’ ny Tompo. | But other of the apostles saw I none, save James the Lord’s brother. |
| 20 | Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan’ Andriamanitra fa tsy mandainga aho. | Now the things which I write unto you, behold, before God, I lie not. |
| 21 | Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin’ ny tany Syria sy Kilikia aho; | Afterwards I came into the regions of Syria and Cilicia; |
| 22 | ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin’ i Kristy, ny tarehiko. | And was unknown by face unto the churches of Judea which were in Christ: |
| 23 | Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny. | But they had heard only, That he which persecuted us in times past now preacheth the faith which once he destroyed. |
| 24 | Ary dia nankalazany an’ Andriamanitra aho. | And they glorified God in me. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL