히브리서 6장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 히브리서 (Hebrews) · 20절
- 1 Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’ i Kristy, fa aoka handroso ho amin’ ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin’ ny asa maty sy finoana an’ Andriamanitra,
- 2 ary fampianarana ny amin’ ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan’ ny maty sy ny fitsarana mandrakizay.
- 3 Ary izany no hataontsika, raha avelan’ Andriamanitra.
- 4 Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masìna
- 5 ary efa nanandrana ny teny tsaran’ Andriamanitra sy ny herin’ ny fiainana ho avy,
- 6 nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’ Andriamanitra indray amin’ ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.
- 7 Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an’ ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra;
- 8 fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin’ ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana.
- 9 Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena.
- 10 Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masìna ianareo sady mbola manompo ihany.
- 11 Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ ny fanantenana hatramin’ ny farany;
- 12 mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ ny finoana sy ny faharetana.
- 13 Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin’ i Abrahama ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin’ ny tenany Izy
- 14 ka nanao hoe: “Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao”.
- 15 Ary araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana.
- 16 Fa ny olona dia mianiana amin’ izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra.
- 17 Ary amin’ izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin’ ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan’ ny sitrapony, dia nataony mafy tamin’ ny fianianana izany,
- 18 mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain’ Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika,
- 19 izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin’ ny efitra lamba;
- 20 tany no nidiran’ i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe “mandrakizay araka ny fanaon’ i Melkizedeka” Izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗