히브리서 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 히브리서 (Hebrews) · 19절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Koa amin’ izany, ry rahalahy masìna, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy, | Wherefore, holy brethren, partakers of the heavenly calling, consider the Apostle and High Priest of our profession, Christ Jesus; |
| 2 | Izay mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an’ i Mosesy koa tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra rehetra. | Who was faithful to him that appointed him, as also Moses was faithful in all his house. |
| 3 | Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan’ ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony. | For this man was counted worthy of more glory than Moses, inasmuch as he who hath builded the house hath more honour than the house. |
| 4 | Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra. | For every house is builded by some man; but he that built all things is God. |
| 5 | Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina; | And Moses verily was faithful in all his house, as a servant, for a testimony of those things which were to be spoken after; |
| 6 | fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon’ Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin’ ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana. | But Christ as a son over his own house; whose house are we, if we hold fast the confidence and the rejoicing of the hope firm unto the end. |
| 7 | Koa araka izay lazain’ ny Fanahy Masìna hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo, | Wherefore (as the Holy Ghost saith, To day if ye will hear his voice, |
| 8 | Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ ny fahasosorana, tamin’ ny andro fakam-panahy tany an-efitra, | Harden not your hearts, as in the provocation, in the day of temptation in the wilderness: |
| 9 | Izay nakan’ ny razanareo fanahy Ahy tamin’ ny nizahany toetra Ahy, Ary nahita ny asako efa-polo taona izy. | When your fathers tempted me, proved me, and saw my works forty years. |
| 10 | Koa tezitra tamin’ izany taranaka izany Aho Ka nanao hoe: Ireo dia maniasia amin’ ny fony mandrakariva Ka tsy nahalala ny lalako; | Wherefore I was grieved with that generation, and said, They do alway err in their heart; and they have not known my ways. |
| 11 | Ary araka izany no nianianako tamin’ ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy". | So I sware in my wrath, They shall not enter into my rest.) |
| 12 | Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’ Andriamanitra velona; | Take heed, brethren, lest there be in any of you an evil heart of unbelief, in departing from the living God. |
| 13 | fa mifananara isan’ andro, raha mbola atao hoe “Anio”; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ ny ota. | But exhort one another daily, while it is called To day; lest any of you be hardened through the deceitfulness of sin. |
| 14 | Fa efa tonga mpiombona amin’ i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan’ ny fahatokiantsika hatramin’ ny farany; | For we are made partakers of Christ, if we hold the beginning of our confidence stedfast unto the end; |
| 15 | raha atao hoe: “Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ ny fahasosorana.”. | While it is said, To day if ye will hear his voice, harden not your hearts, as in the provocation. |
| 16 | Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin’ i Mosesy niala tany Egypta va? | For some, when they had heard, did provoke: howbeit not all that came out of Egypt by Moses. |
| 17 | Ary iza no nahatezitra Azy efa-polo taona? Tsy izay nanota va, ka dia niampatrampatra tany an-efitra ny fatiny? | But with whom was he grieved forty years? was it not with them that had sinned, whose carcases fell in the wilderness? |
| 18 | Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin’ ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky? | And to whom sware he that they should not enter into his rest, but to them that believed not? |
| 19 | Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany. | So we see that they could not enter in because of unbelief. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL