호세아 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 호세아 (Hosea) · 15절
- 1 Henoinareo izao, ry mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak’ Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin’ ny mpanjaka; Fa ianareo no hihiran’ ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara.
- 2 Ny mpivadika dia fatra-pamono; Fa Izaho kosa famaizana azy rehetra.
- 3 Izaho mahalala an’ i Efraima, ary Isiraely tsy takona amiko; Ankehitriny dia tonga mpijangajanga ianao, ry Efraima, voaloto Isiraely.
- 4 Tsy avelan’ ny ataony hiverina amin’ Andriamanitra izy; Fa ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny, ary Jehovah tsy fantany.
- 5 Ary ny avonavon’ Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Ary Isiraely indrindra fa Efraima, ho lavon-keloka; Joda hiara-davo aminy koa.
- 6 Hitondra ny ombiny aman’ ondriny izy ka handeha hitady an’ i Jehovah. Nefa tsy hahita Azy; Jehovah efa niala taminy.
- 7 Nivadika tamin’ i Jehovah izy, fa niteraka zaza sary; Ankehitriny dia ho levon’ ny voaloham-bolana izy mbamin’ ny zara-lovany.
- 8 Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ny trompetra ao Rama! Miantsoa mafy ao Betavena! Inay! misy manenjika anao, ry Benjamina!
- 9 Ho lao Efraima, raha mby amin’ ny andro fanamelohana; Izay tsy maintsy ho tò no nambarako tao amin’ ny firenen’ Isiraely.
- 10 Ny mpanapaka ny Joda dia efa tonga toy izay mamindra faritany, ka dia ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny fampidina rano.
- 11 Ampahorina Efraima sady voatorotoron’ ny fitsarana, satria ninia nanaraka didin’ olombelona izy,
- 12 Koa amin’ i Efraima dia tahaka ny kalalao Aho ary amin’ ny taranak’ i Joda dia toy ny fositra.
- 13 Rehefa hitan’ i Efraima ny aretiny, ary Joda ny feriny, dia nantany amin’ ny Asyriana Efraima, eny, naniraka ho any amin’ i Jareba mpanjaka izy; Nefa izy tsy mahasitrana anareo, na mampanaritra ny ferinareo.
- 14 Fa amin’ i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin’ ny taranak’ i Joda dia tahaka ny liona tanora: Izaho dia Izaho no mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy mahavonjy.
- 15 Handeha hody any amin’ ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗