로그인

호세아 3장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 호세아 (Hosea) · 5절 · 대역: King James Version

절Baiboly Malagasy (1865)King James Version
1 Dia hoy Jehovah tamiko: Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian’ ny vadiny nefa mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, nefa ireo kosa dia mihodìna ho amin’ izay andriamani-kafa sady tia ampempam-boaloboka. Then said the Lord unto me, Go yet, love a woman beloved of her friend, yet an adulteress, according to the love of the Lord toward the children of Israel, who look to other gods, and love flagons of wine.
2 Ka dia novidiko sekely volafotsy dimy ambin’ ny folo sy vary hordea homera iray sy tapany izy. So I bought her to me for fifteen pieces of silver, and for an homer of barley, and an half homer of barley:
3 Ary hoy izaho taminy: Andro maro no hitoeranao miandry ahy; fa tsy havela hijangajanga na hanambady olon-kafa ianao; ary izaho koa dia ho toy izany aminao. And I said unto her, Thou shalt abide for me many days; thou shalt not play the harlot, and thou shalt not be for another man: so will I also be for thee.
4 Fa andro maro no hitoeran’ ny Zanak’ Isiraely tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka, na fanatitra, na tsangam-bato, na efoda, na terafima. For the children of Israel shall abide many days without a king, and without a prince, and without a sacrifice, and without an image, and without an ephod, and without teraphim:
5 Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak’ Isiraely ka hitady an’ i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary nandeha amin-kovitra hanatona an’ i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any am-parany. Afterward shall the children of Israel return, and seek the Lord their God, and David their king; and shall fear the Lord and his goodness in the latter days.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL