호세아 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 호세아 (Hosea) · 25절
- 1 Kanefa, na dia izany aza, ny isan’ ny Zanak’ Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin’ ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin’ ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak’ Andriamanitra velona ianareo.
- 2 Dia hiara-mivory ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ Isiraely ka hifidy anankiray ho lohany izy, dia hiakatra hiala amin’ ny tany, fa ho lehibe ny andron’ i Jezirda.
- 3 Manaova amin’ ny rahalahinareo hoe: Amy, ary amin’ ny anabavinareo hoe: Rohama.
- 4 Mifandahara amin-dreninareo, eny, mifandahara fa izy tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny, ary aoka hesoriny ny fijejojejoany hiala eo amin’ ny tavany sy ny fijangajangany tsy ho eo an-tratrany;
- 5 Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin’ ny andro nahaterahany, ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, eny, hataoko matin-ketaheta izy.
- 6 Ary tsy hamindrako fo ny zanany, Satria zanaky ny fijangajangana ireny.
- 7 Fa efa nijangajanga ny reniny, eny, ilay torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra; Fa hoy izy: Hanaraka ireo lehilahiko ihany aho, Izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, sy ny volon’ ondriko sy ny rongoniko sy ny diloiloko ary ny fisotroko.
- 8 Koa, indro, hotampenako tsilo ny lalanao sady hasiako fefy, ary tsy hahita izay lalan-kalehany izy.
- 9 Ary hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy, nefa tsy hahatratra azy; Eny, hitady ireo izy, nefa tsy hahita; Dia hanao hoe izy: Handeha hody amin’ ny vadiko taloha aho; Fa niadana aho tamin’ izay noho ny ankehitriny.
- 10 Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an’ i Bala,
- 11 Koa dia halaiko indray ny variko amin’ ny androny sy ny ranom-boaloboko amin’ ny taonany, ary haoriko ny volon’ ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany.
- 12 Ary ankehitriny hasehoko eo imason’ ireo lehilahiny ny fahamenarany, ka tsy hisy hahafaka azy amin’ ny tanako.
- 13 Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, eny, ny fotoam-pivavahany rehetra.
- 14 Ary hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny, izay nataony hoe: Tangiko avy tamin’ ireo lehilahiko ireto, ary hataoko ho tonga ala ireny ka hohanin’ ny bibidia.
- 15 Ary hovaliako izy noho ny andron’ ireo Bala, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny kaviny sy ny firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah.
- 16 Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.
- 17 Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany toy ny tamin’ ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin’ ny andro niakarany avy tany amin’ ny tany Egypta.
- 18 Ary raha mby amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy hataonao intsony hoe Balako.
- 19 Fa hesoriko amin’ ny vavany ny anaran’ ireo Bala, ka tsy hotsarovana amin’ ny anarany intsony ireo.
- 20 Ary raha mby amin’ izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin’ ny bibidia sy amin’ ny voro-manidina ary amin’ ny biby mandady sy mikisaka amin’ ny tany; Ary hotapatapahiko tsy hisy amin’ ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, dia hataoko mandry fahizay izy;
- 21 Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin’ ny rariny sy ny hitsiny ary amin’ ny fitiavana sy ny indrafo ianao;
- 22 Eny, hofofoiko ho vadiko amin’ ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an’ i Jehovah.
- 23 Ary amin’ izany andro izany dia hihaino Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany;
- 24 Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an’ i Jezirela,
- 25 Dia hafafiko ho Ahy amin’ ny tany izy; Ary hamindra fo amin’ i Lò-rohama Aho sady hanao amin’ i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗