출애굽기 40장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 출애굽기 (Exodus) · 38절
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 2 Amin’ ny andro voalohany amin’ ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana.
- 3 Ary ataovy ao ny fiaran’ ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.
- 4 Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro.
- 5 Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely.
- 6 Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana.
- 7 Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny.
- 8 Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja.
- 9 Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho masìna izy.
- 10 Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masìna indrindra izy.
- 11 Ary hosory ny tavy sy ny faladiany, ka hamasino izy.
- 12 Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin’ ny rano izy.
- 13 Ary ampiakanjoy an’ i Arona ny fitafiana masìna, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.
- 14 Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava.
- 15 Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin’ ny taranany fara mandimby.
- 16 Dia nataon’ i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah azy no nataony.
- 17 Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely.
- 18 Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny.
- 19 Ary namelatra ny lay teo ambonin’ ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 20 Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin’ ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin’ ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin’ ny fiara.
- 21 Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin’ ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran’ ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 22 Ary ny latabatra dia napetrany teo amin’ ny trano-lay fihaonana, dia teo amin’ ny lafin’ ny tabernakely avaratra, teo ivelan’ ny efitra lamba.
- 23 Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan’ i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 24 Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin’ ny trano-lay fihaonana, tandrifin’ ny latabatra, teo amin’ ny lafin’ ny tabernakely atsimo.
- 25 Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan’ i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 26 Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin’ ny trano-lay fihaonana, teo anoloan’ ny efitra lamba;
- 27 ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 28 Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely;
- 29 ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan’ ny varavaran’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 30 Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.
- 31 Ary teo no nanasan’ i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany.
- 32 Raha niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 33 Ary natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vavahady lamba dia nataony teo amin’ ny vavahadin’ ny kianja. Dia vitan’ i Mosesy ny asa rehetra.
- 34 Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.
- 35 Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.
- 36 Ary raha niakatra niala tamin’ ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny nandehanany rehetra;
- 37 fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin’ izay andro hiakarany.
- 38 Fa ny rahon’ i Jehovah dia teo ambonin’ ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason’ ny taranak’ Isiraely rehetra, tamin’ ny nandehanany rehetra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗