출애굽기 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 출애굽기 (Exodus) · 31절
- 1 Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah.
- 2 Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity.
- 3 Ary hoy Izy: Atsipazo amin’ ny tany iny. Dia natsipiny tamin’ ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy.
- 4 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin’ ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy
- 5 mba hinoan’ ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba.
- 6 Ary hoy koa Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tànany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka fotsy tahaka ny oram-panala.
- 7 Ary hoy koa Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao (dia natsofony tao an-tratrany indray ny tànany; ary nony notsoahany tamin’ ny tratrany, dia, indro, efa tonga tahaka ny hodiny indray izy).
- 8 Ary raha tsy hino anao izy ka tsy hihaino ny feon’ ny famantarana voalohany, dia hino ny feon’ ny famantarana aoriana izy.
- 9 Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao, ka haidinao amin’ ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga rà eo amin’ ny tany maina.
- 10 Ary hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin’ izao itenenanao amin’ ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.
- 11 Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan’ ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va
- 12 Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.
- 13 Fa hoy izy: Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina.
- 14 Dia nirehitra tamin’ i Mosesy ny fahatezeran’ i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.
- 15 Dia hiteny aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo.
- 16 Ary izy hiteny amin’ ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa ho solon’ Andriamanitra aminy.
- 17 Dia ho entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo.
- 18 Dia lasa nandeha Mosesy ka niverina ho any amin’ i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin’ ny rahalahiko, izay any Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin’ i Mosesy: Mandehana soa aman-tsara.
- 19 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny olona rehetra izay nitady ny ainao.
- 20 Dia nalain’ i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin’ ny tany Egypta izy; ary nentin’ i Mosesy teny an-tànany ilay tehin’ Andriamanitra.
- 21 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan’ i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy.
- 22 Ary lazao amin’ i Farao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely;
- 23 koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa.
- 24 Ary nony tany an-dalana tao amin’ ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy.
- 25 Dia naka fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo anilan’ ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin’ ny fandatsahan-drà ianao.
- 26 Dia niala taminy Izy; ary hoy ravehivavy: Vady azo amin’ ny fandatsahan-drà ianao, noho ny fora.
- 27 Ary hoy Jehovah tamin’ i Arona: Mandehana hitsena an’ i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin’ ny tendrombohitr’ Andriamanitra, dia nanoroka azy.
- 28 Ary nambaran’ i Mosesy tamin’ i Arona izay teny rehetra efa nanirahan’ i Jehovah azy sy izay famantarana rehetra efa nandidiany azy.
- 29 Dia lasa nandeha Mosesy sy Arona ka nanangona ny loholon’ ny Zanak’ Isiraely rehetra.
- 30 Dia nolazain’ i Arona ny teny rehetra izay efa nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy, sady nataony teo imason’ ny olona ny famantarana.
- 31 Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak’ Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗