출애굽기 38장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 출애굽기 (Exodus) · 31절
- 1 Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana tamin’ ny hazo akasia izy: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
- 2 Ary nanao ny tandrony teo amin’ ny zorony efatra izy, ka nataony miray aminy, ary nopetahany takela-barahina ireo.
- 3 Ary nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny fandraofan-davenona sy ny sotron’ afony sy ny loviany famafazana sy ny fitrebiny ary ny fitondran’ afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy.
- 4 Ary nanao makarakara varahina tahaka ny harato ho eo amin’ ny alitara izy, dia eo ambanin’ ny sikiny, hatreo am-bodin’ ny alitara ka hatreo amin’ ny fisasahany.
- 5 Ary nandrendrika vava vola efatra hatao eo an-jorony efatra amin’ ny makarakara varahina izy ho fitoeran’ ny bao.
- 6 Ary nanao ny bao tamin’ ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-barahina.
- 7 Ary nampiditra ny bao teo amin’ ny vava vola teo amin’ ny lafiny roa amin’ ny alitara izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty.
- 8 Ary ny tavy varahina sy ny faladiany varahina dia nataony tamin’ ny fitaratra varahin’ ny vehivavy izay nanompo teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
- 9 Ary nanao ny kianja izy: tamin’ ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin’ ny kianja natao tamin’ ny rongony fotsy madinika voahasina;
- 10 ary roa-polo ny tsangantsangany, ary roa-polo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny fihantonany amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
- 11 Ary tamin’ ny lafiny avaratra koa nisy zato hakiho sy ny tsangantsangany roa-polo ary ny faladiany varahina roa-polo; volafotsy ny fihantonany amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
- 12 Ary tamin’ ny lafiny andrefana nisy fefy lamba dimam-polo hakiho; folo ny tsangantsangany ary folo ny faladiany; ary volafotsy ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
- 13 Ary ny lafiny atsinanana nataony dimam-polo hakiho.
- 14 Ary nisy fefy lamba dimy ambin’ ny folo hakiho tamin’ ny ilany iray; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany.
- 15 Ary nisy fefy lamba dimy ambin’ ny folo hakiho tamin’ ny ilany iray koa; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany;
- 16 Ary nataony rongony fotsy madinika voahasina avokoa ny fefy lamban’ ny kianja manodidina.
- 17 Ary ny faladian’ ny tsangantsangany dia nataony varahina; ary ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takela-bolafotsy; ary ny tsangantsangany rehetra tamin’ ny kianja dia samy nisy anjaka volafotsy hitohizany avokoa.
- 18 Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin’ ny kianja dia asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra tamin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; roa-polo hakiho ny halavany; ary ny hahavony nitovy tamin’ ny lambanan-damba, dia dimy hakiho, araka ny hahavon’ ny fefy lamban’ ny kianja.
- 19 Ary efatra ny tsangantsangany, ary efatra ny faladiany varahina; ary ny fihantonany dia volafotsy; ary ny takela-bola tamin’ ny lohany sy ny anjaka hitohizany dia volafotsy koa.
- 20 Ary ny tsimatra amin’ ny tabernakely sy amin’ ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.
- 21 Ary izao no isan’ ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin’ ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin’ i Mosesy; natao fanompoan’ ny Levita, fehin’ Itamara, zanak’ i Arona mpisorona, ny nanisa azy.
- 22 Ary Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda, nanao izay rehetra nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 23 Ary ny namany dia Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka, avy amin’ ny firenen’ i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.
- 24 Talenta sivy amby roa-polo, ary sekely telo-polo amby fiton-jato, araka ny sekely masìna, ny volamena rehetra izay lany tamin’ ny asa rehetra tamin’ ny fitoerana masìna, dia ny volamena izay natao fanatitra ahevaheva.
- 25 Ary ny volafotsy avy tamin’ ny olona izay voaisa tamin’ ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masìna:
- 26 beka iray isan-olona, dia antsasaky ny sekely araka ny sekely masìna, no naloan’ izay rehetra voalamina, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia olona dimam-polo amby diman-jato amby telo arivo sy enina hetsy.
- 27 Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian’ ny fitoerana masìna sy ny faladian’ ny efitra lamba: dia faladia zato tamin’ ny talenta volafotsy zato, talenta iray ny faladiany iray.
- 28 Ary tamin’ ny sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato sy arivo no nanaovany ny fihantonana tamin’ ny andry, sy nametahana takela-bola tamin’ ny lohany, ary nanaovany ny anjaka hitohizany.
- 29 Ary ny varahina izay natao fanatitra ahevaheva dia talenta fito-polo sy sekely efa-jato amby roa arivo.
- 30 Ary izany no nanaovany ny faladiany ho amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, sy ny alitara varahina sy ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,
- 31 ary ny faladia tamin’ ny kianja manodidina sy ny faladia tamin’ ny vavahadin’ ny kianja, sy ny tsimatra rehetra tamin’ ny tabernakely ary ny tsimatra rehetra tamin’ ny kianja manodidina.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗