출애굽기 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 출애굽기 (Exodus) · 22절
- 1 Ary izao no anaran’ ny zanak’ Isiraely izay niaraka tamin’ i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha mbamin’ ny ankohonany avy izy rehetra:
- 2 Robena sy Simeona sy Levy ary Joda;
- 3 Isakara sy Zebolona ary Benjamina;
- 4 Dana sy Naftaly, ary Gada sy Asera.
- 5 Ary ny isan’ ny olona rehetra naterak’ i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta rahateo.
- 6 Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin’ izany taranaka rehetra izany.
- 7 Ary ny Zanak’ Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany.
- 8 Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an’ i Josefa.
- 9 Ary izy niteny tamin’ ny vahoakany hoe: Indro, ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely efa maro sy mahery noho isika;
- 10 andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahìny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin’ ny tany.
- 11 Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin’ ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an’ i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.
- 12 Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak’ Isiraely indrindra ny Egyptiana.
- 13 Dia nampanompoin’ ny Egyptiana fatratra ny Zanak’ Isiraely,
- 14 ka nataony mangidy ny fiainany tamin’ ny fanompoana mafy, dia tamin’ ny feta sy ny biriky mbamin’ ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra.
- 15 Ary ny mpanjakan’ i Egypta niteny tamin’ ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran’ ny anankiray, ary Poa no anaran’ ny anankiray)
- 16 ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin’ ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy.
- 17 Nefa natahotra an’ Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain’ ny mpanjakan’ i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy.
- 18 Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan’ i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy?
- 19 Fa hoy ny mpampivelona tamin’ i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy.
- 20 Dia nasian’ Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona.
- 21 Ary tamin’ izany, satria natahotra an’ Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen’ Andriamanitra zanaka izy.
- 22 Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an’ i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗