로그인

전도서 11장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 전도서 (Ecclesiastes) · 10절

  1. 1 Atsipazo eny ambonin’ ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.
  2. 2 Samy omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo atỳ ambonin’ ny tany.
  3. 3 Raha feno ranonorana ny rahona, dia halatsany amin’ ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia eo amin’ izay ianjerany ihany no handriany.
  4. 4 Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy, ary izay manahy ny rahona tsy hijinja.
  5. 5 Toy ny tsy ahafantaranao ny amin’ ny alehan’ ny rivotra, na ny amin’ ny fitombon’ ny taolana ao an-kibon’ izay manan’ anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan’ Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.
  6. 6 Amin’ ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ ny hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.
  7. 7 Mamy tokoa ny mazava, ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro;
  8. 8 fa na dia ela velona aza ny olona, dia aoka ho faly amin’ ny androny rehetra izy ka hahatsiaro ny andro maizina, fa ho maro ireny: izay rehetra ho avy dia zava-poana.
  9. 9 Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’ izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’ Andriamanitra hotsaraina ianao amin’ izany rehetra izany.
  10. 10 Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗