전도서 10장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 전도서 (Ecclesiastes) · 20절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra. | Dead flies cause the ointment of the apothecary to send forth a stinking savour: so doth a little folly him that is in reputation for wisdom and honour. |
| 2 | Ny fon’ ny hendry dia eo ankavanany; fa ny fon’ ny adala kosa dia eo ankaviany. | A wise man’s heart is at his right hand; but a fool’s heart at his left. |
| 3 | Ary koa, raha mandeha eny an-dalambe ny adala, dia levona ny fahalalany, ka milaza tena amin’ ny olona rehetra izy fa adala. | Yea also, when he that is a fool walketh by the way, his wisdom faileth him, and he saith to every one that he is a fool. |
| 4 | Raha tezeran’ ny mpanapaka ianao, aza miala amin’ ny fitoeranao; fa ny fahatsindriam-po mahasakana ny fahadisoana lehibe. | If the spirit of the ruler rise up against thee, leave not thy place; for yielding pacifieth great offences. |
| 5 | Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin’ ny masoandro, ka toa fahadisoana ataon’ ny mpanapaka izany; | There is an evil which I have seen under the sun, as an error which proceedeth from the ruler: |
| 6 | Asandratra ho ambony indrindra ny adala, ary ny mpanankarena mipetraka eo amin’ ny toerana ambany. | Folly is set in great dignity, and the rich sit in low place. |
| 7 | Efa hitako ny mpanompo mitaingin-tsoavaly, ary ny mpanapaka kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo. | I have seen servants upon horses, and princes walking as servants upon the earth. |
| 8 | Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, ary izay mandrava fefy vato no hokekerin’ ny menarana. | He that diggeth a pit shall fall into it; and whoso breaketh an hedge, a serpent shall bite him. |
| 9 | Izay manovoka vato dia haratrany, ary izay mamaky hazo no ho voany. | Whoso removeth stones shall be hurt therewith; and he that cleaveth wood shall be endangered thereby. |
| 10 | Raha dombo ny antsy ka tsy asainy, dia tsy maintsy manao an-teninaina izy; fa ny fahendrena no mahasoa, satria mahalavorary ny raharaha izany. | If the iron be blunt, and he do not whet the edge, then must he put to more strength: but wisdom is profitable to direct. |
| 11 | Raha manaikitra ny menarana, satria tsy mbola nasiana ody, dia ahoana no mahatsara ny mpanao ody? | Surely the serpent will bite without enchantment; and a babbler is no better. |
| 12 | Soa ny teny aloaky ny vavan’ ny hendry; fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany. | The words of a wise man’s mouth are gracious; but the lips of a fool will swallow up himself. |
| 13 | Ny fiandohan’ ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran’ ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza. | The beginning of the words of his mouth is foolishness: and the end of his talk is mischievous madness. |
| 14 | Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany? | A fool also is full of words: a man cannot tell what shall be; and what shall be after him, who can tell him? |
| 15 | Ny fisasaran’ ny adala mahareraka azy, fa ny lalana mankany an-tanàna aza tsy fantany akory. | The labour of the foolish wearieth every one of them, because he knoweth not how to go to the city. |
| 16 | Lozanao, ry tany, raha zaza no mpanjakanao, ary ny lehibenao homa-maraina! | Woe to thee, O land, when thy king is a child, and thy princes eat in the morning! |
| 17 | Sambatra kosa ianao, ry tany, raha tena karazan’ andriana no mpanjakanao, ary ny lehibenao homana amin’ izay fotoana mety, mba hampahatanjaka ny tenany, fa tsy ny hampahamamo azy! | Blessed art thou, O land, when thy king is the son of nobles, and thy princes eat in due season, for strength, and not for drunkenness! |
| 18 | Ny fahalainana be no mampianjera ny lohatrano, ary ny hakamoan’ ny tanana no mampitete ny trano. | By much slothfulness the building decayeth; and through idleness of the hands the house droppeth through. |
| 19 | Ataony laolao ny hanina, ary ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra. | A feast is made for laughter, and wine maketh merry: but money answereth all things. |
| 20 | Aza manozona ny mpanjaka na dia amin’ ny eritreritrao aza; ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin’ ny efi-trano fandrianao aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie ka hitondra ny feo, ary na dia ny manana elatra dia hanambara ny teny. | Curse not the king, no not in thy thought; and curse not the rich in thy bedchamber: for a bird of the air shall carry the voice, and that which hath wings shall tell the matter. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL