이사야 62장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 이사야 (Isaiah) · 12절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Tsy hangina Aho noho ny amin’ i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’ i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra. | For Zion’s sake will I not hold my peace, and for Jerusalem’s sake I will not rest, until the righteousness thereof go forth as brightness, and the salvation thereof as a lamp that burneth. |
| 2 | Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao ianao, Izay hotononin’ ny vavan’ i Jehovah; | And the Gentiles shall see thy righteousness, and all kings thy glory: and thou shalt be called by a new name, which the mouth of the Lord shall name. |
| 3 | Ka dia ho tonga satro-boninahitra eo an-tànany ianao sy satrok’ andriana eo am-pelatanan’ Andriamanitrao. | Thou shalt also be a crown of glory in the hand of the Lord, and a royal diadem in the hand of thy God. |
| 4 | Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak’ i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina. | Thou shalt no more be termed Forsaken; neither shall thy land any more be termed Desolate: but thou shalt be called Hephzi–bah, and thy land Beulah: for the Lord delighteth in thee, and thy land shall be married. |
| 5 | Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijina ho vadiny no hampakaran’ ny mponina aminao anao; ary tahaka ny fifalian’ ny mpampakatra amin’ ny ampakariny no hifalian’ Andriamanitrao aminao. | For as a young man marrieth a virgin, so shall thy sons marry thee: and as the bridegroom rejoiceth over the bride, so shall thy God rejoice over thee. |
| 6 | Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin’ ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangìna ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an’ i Jehovah, aza mitsahatra; | I have set watchmen upon thy walls, O Jerusalem, which shall never hold their peace day nor night: ye that make mention of the Lord, keep not silence, |
| 7 | Ary aza mamela Azy hitsahatra mandra-panaony an’ i Jerosalema ho mafy orina sy hoderaina amin’ ny tany. | And give him no rest, till he establish, and till he make Jerusalem a praise in the earth. |
| 8 | Jehovah efa nianiana tamin’ ny tànany ankavanana, dia tamin’ ny sandriny mahery, hoe: Tsy homeko hohanin’ ny fahavalonao intsony ny varinao, ary ny hafa firenena tsy hisotro ny ranom-boalobokao izay efa nisasaranao; | The Lord hath sworn by his right hand, and by the arm of his strength, Surely I will no more give thy corn to be meat for thine enemies; and the sons of the stranger shall not drink thy wine, for the which thou hast laboured: |
| 9 | Fa izay nijinja azy no hihinana azy ka hidera an’ i Jehovah; ary izay nioty azy no hisotro azy ao amin’ ny kianjako masìna. | But they that have gathered it shall eat it, and praise the Lord; and they that have brought it together shall drink it in the courts of my holiness. |
| 10 | Mivoaha, mivoaha amin’ ny vavahady, amboary ny lalana halehan’ ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy; manangàna faneva ho tazan’ ny firenena. | Go through, go through the gates; prepare ye the way of the people; cast up, cast up the highway; gather out the stones; lift up a standard for the people. |
| 11 | Indro, Jehovah efa nanambara hatrany amin’ ny faran’ izao tontolo izao nanao hoe: Lazao amin’ i Ziona zanakavavy: Indro, avy ny famonjena anao; Indro; ny valim-pitia hatolony dia ao aminy, ary ny valin’ asa homeny dia eo anoloany. | Behold, the Lord hath proclaimed unto the end of the world, Say ye to the daughter of Zion, Behold, thy salvation cometh; behold, his reward is with him, and his work before him. |
| 12 | Ary Ireny hotononina hoe Firenena masìna, dia olona navotan’ i Jehovah; ary ianao dia hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy. | And they shall call them, The holy people, The redeemed of the Lord: and thou shalt be called, Sought out, A city not forsaken. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL