이사야 57장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 이사야 (Isaiah) · 21절
- 1 Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon’ ny loza hanjo.
- 2 Miditra amin’ ny fiadanana izy, mandry amin’ ny fandriany avy izy, dia izay rehetra mizotra amin’ ny hitsiny.
- 3 Fa ianareo kosa dia mankanesa etỳ, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpaka vadin’ olona sy ny mpijangajanga.
- 4 Iza no ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy taranaky ny fiodinana va ianareo sady taranaky ny lainga?
- 5 Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo amin’ ny hazo terebinta eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra, ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin’ ny tsefatsefaky ny harambato.
- 6 Ao amin’ ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao, eny, ireny ihany no anjaranao; ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina. Hahatsindry fo amin’ izany va Aho?
- 7 Teo an-tampon’ ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra.
- 8 Teo ivohon’ ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin’ izay hataon’ ireny ianao; tia ny fandriana aminy ianao ka nizaha toerana ho anao.
- 9 Dia nivezivezy nankany amin’ ny mpanjaka ianao nitondra diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao, ka nidina hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ianao.
- 10 Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra ianao, nefa ianao tsy niteny hoe: kivy aho izany! Nahazo aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro reraka ianao.
- 11 Ary iza no nahinao sy natahoranao, no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro ahy na nandatsaka am-po? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy ianao.
- 12 Izaho no hanambara ny fahamarinanao ary ny asanao dia tsy hahasoa anao.
- 13 Raha mitaraina ianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy anao, nefa hongahan’ ny rivotra avokoa ireo sy ho lasan’ ny tso-drivotra malemilemy aza; Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masìna.
- 14 Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin’ ny alehan’ ny oloko.
- 15 Fa izao no lazain’ ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masìna no anarany: Ao amin’ ny fitoerana avo sy masìna no onenako, ary ao amin’ ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin’ ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ ny torotoro fo;
- 16 Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina izay nataoko.
- 17 Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin’ ny lalana tian’ ny fony ihany.
- 18 Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin’ ny malahelo ao aminy,
- 19 Dia Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra: Fiadanana, fiadanana ho an’ izay lavitra sy ho an’ izay akaiky! hoy Jehovah, ka dia hahasitrana azy Aho.
- 20 Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.
- 21 Tsy misy fiadanana ho an’ ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗