이사야 48장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 이사야 (Isaiah) · 22절
- 1 Mihainoa, ry taranak’ i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin’ ny anaran’ Isiraely sy avy amin’ ny loharanon’ i Joda, ianareo izay mianiana amin’ ny anaran’ i Jehovah ary mankalaza ny anaran’ Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy araka ny marina, na araka ny hitsiny;
- 2 Fa milaza ny tenany ho avy amin’ ny tanana masìna izy ka miankina amin’ Andriamanitry ny Isiraely; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
- 3 Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin’ ny fahiny, ary naloaky ny vavako izany sady nambarako; Tampoka no nanaovako izany, ary tonga izany.
- 4 Satria fantatro fa maditra ianao, ka ozaby ny hatokao, ary varahina ny handrinao,
- 5 Dia nambarako taminao hatramin’ ny fahiny izany, eny, fony tsy mbola tonga aza izany, dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany, ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra an-idina no nandidy izany.
- 6 Efa renao, ka dia jereo izany rehetra izany, moa ianareo tsy hanambara izany va? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin’ izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.
- 7 Vao izao no namoronana azy, fa tsy hatramin’ ny fahiny, ary tsy mbola nandre azy ianao talohan’ ny andro anio, fandrao ianao hanao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany.
- 8 Fa tsy nandre na nahalala ianao; Eny, hatramin’ ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao; fa fantatro fa tena mpivadika ianao sady natao hoe mpiodina hatrany an-kibo.
- 9 Noho ny anarako dia ononiko ny fahatezerako, ary mba hiderana ahy dia manindry fo aminao Aho, mba tsy hamongorana anao.
- 10 Indro, nodioviko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; Efa nizaha toetra anao tao amin’ ny memy fahoriana Aho.
- 11 Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.
- 12 Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy y Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.
- 13 Eny, ny tanako no nanorina ny fanambanin’ ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa.
- 14 Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza moa amin’ ireny no mba efa nanambara izany; ilay tian’ i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin’ i Babylona ary ny sandriny ho amin’ ny Kaldeana.
- 15 Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho, ka hambinina ny lalany.
- 16 Manatona Ahy ianareo, ka mihainoa; hatramin’ ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ ny mangingina, hatry ny fony vao nisian’ ireo dia teo Aho, ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny.
- 17 Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin’ ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ ny lalana tokony halehanao.
- 18 Toy izay anie ianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao,
- 19 Ary ho tahaka ny fasika ny taranakao, ary ny aloaky ny kibonao ho tahaka ny sombim-pasika; Ny anarany tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako.
- 20 Mivoaha hiala any Babylona; miezaha avy any amin’ ny Kaldeana; torio amin’ ny feo mahafaly, ary ambarao, ka aelezo hatrany amin’ ny faran’ ny tany, lazao hoe: Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba mpanompony.
- 21 Ary tsy nangetaheta ireo tamin’ ny nitondrany azy tany an-efitra; Nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ ny vatolampy Izy, Eny, nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia nigororoana ny rano.
- 22 Tsy misy fiadanana ho an’ ny ratsy fanahy, hoy Jehovah.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗