이사야 43장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 이사야 (Isaiah) · 28절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’ i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. | But now thus saith the Lord that created thee, O Jacob, and he that formed thee, O Israel, Fear not: for I have redeemed thee, I have called thee by thy name; thou art mine. |
| 2 | Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo; | When thou passest through the waters, I will be with thee; and through the rivers, they shall not overflow thee: when thou walkest through the fire, thou shalt not be burned; neither shall the flame kindle upon thee. |
| 3 | Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin’ ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao. | For I am the Lord thy God, the Holy One of Israel, thy Saviour: I gave Egypt for thy ransom, Ethiopia and Seba for thee. |
| 4 | Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon’ ny ainao. | Since thou wast precious in my sight, thou hast been honourable, and I have loved thee: therefore will I give men for thee, and people for thy life. |
| 5 | Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao; | Fear not: for I am with thee: I will bring thy seed from the east, and gather thee from the west; |
| 6 | Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin’ ny faran’ ny tany, | I will say to the north, Give up; and to the south, Keep not back: bring my sons from far, and my daughters from the ends of the earth; |
| 7 | Dia izay rehetra antsoina amin’ ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko. | Even every one that is called by my name: for I have created him for my glory, I have formed him; yea, I have made him. |
| 8 | Ento mivoaka ny olona jamba mana-maso sy ny marenina manan-tsofina. | Bring forth the blind people that have eyes, and the deaf that have ears. |
| 9 | Aoka hiangona ny firenena rehetra, Ary aoka hivory ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; Aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany. | Let all the nations be gathered together, and let the people be assembled: who among them can declare this, and shew us former things? let them bring forth their witnesses, that they may be justified: or let them hear, and say, It is truth. |
| 10 | Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, Mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy. | Ye are my witnesses, saith the Lord, and my servant whom I have chosen: that ye may know and believe me, and understand that I am he: before me there was no God formed, neither shall there be after me. |
| 11 | Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho. | I, even I, am the Lord; and beside me there is no saviour. |
| 12 | Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra. | I have declared, and have saved, and I have shewed, when there was no strange god among you: therefore ye are my witnesses, saith the Lord, that I am God. |
| 13 | Eny, hatramin’ izary andro izany Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin’ ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany? | Yea, before the day was I am he; and there is none that can deliver out of my hand: I will work, and who shall let it? |
| 14 | Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin’ ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin’ ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin’ ny sambo izay efa nifaliany. | Thus saith the Lord, your redeemer, the Holy One of Israel; For your sake I have sent to Babylon, and have brought down all their nobles, and the Chaldeans, whose cry is in the ships. |
| 15 | Izaho no Jehovah, Iray Masinareo, Mpamorona ny Isiraely sady Mpanjakanareo. | I am the Lord, your Holy One, the creator of Israel, your King. |
| 16 | Izao no lazain’ i Jehovah, Izay manao lalana eny amin’ ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin’ ny rano manonja, | Thus saith the Lord, which maketh a way in the sea, and a path in the mighty waters; |
| 17 | Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro: | Which bringeth forth the chariot and horse, the army and the power; they shall lie down together, they shall not rise: they are extinct, they are quenched as tow. |
| 18 | Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. | Remember ye not the former things, neither consider the things of old. |
| 19 | Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? eny, any an-efitra no hanaovako lalana ary any amin’ ny tany sao no hasiako ony; | Behold, I will do a new thing; now it shall spring forth; shall ye not know it? I will even make a way in the wilderness, and rivers in the desert. |
| 20 | Dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin’ ny tany lao Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko. | The beast of the field shall honour me, the dragons and the owls: because I give waters in the wilderness, and rivers in the desert, to give drink to my people, my chosen. |
| 21 | Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy. | This people have I formed for myself; they shall shew forth my praise. |
| 22 | Nefa Izaho tsy mba nantsoinao, ry Jakoba; Fa sasatra amiko ianao, ry Isiraely. | But thou hast not called upon me, O Jacob; but thou hast been weary of me, O Israel. |
| 23 | Tsy nitondranao ny zanak’ ondry fanatitra doranao Aho, na nomenao voninahitra tamin’ ny fanatitrao. Tsy nampahavesatra anao tamin’ ny fanatitra Aho, na nanasatra anao tamin’ ny ditin-kazo mani-pofona. | Thou hast not brought me the small cattle of thy burnt offerings; neither hast thou honoured me with thy sacrifices. I have not caused thee to serve with an offering, nor wearied thee with incense. |
| 24 | Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin’ ny saboran’ ny fanatitrao; Fa nampahavesatra Ahy tamin’ ny fahotanao kosa ianao sy nanasatra Ahy tamin’ ny helokao. | Thou hast bought me no sweet cane with money, neither hast thou filled me with the fat of thy sacrifices: but thou hast made me to serve with thy sins, thou hast wearied me with thine iniquities. |
| 25 | Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao. | I, even I, am he that blotteth out thy transgressions for mine own sake, and will not remember thy sins. |
| 26 | Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra; Alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao. | Put me in remembrance: let us plead together: declare thou, that thou mayest be justified. |
| 27 | Ny razambenao voalohany indrindra dia efa nanota, ary ireny mpanalalana aminao efa niodina tamiko, | Thy first father hath sinned, and thy teachers have transgressed against me. |
| 28 | Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masìna ho tsy masìna, sy nanolorako an’ i Jakoba ho fandringana ary Isiraely ho latsa. | Therefore I have profaned the princes of the sanctuary, and have given Jacob to the curse, and Israel to reproaches. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL