이사야 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 이사야 (Isaiah) · 26절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Fa, indro, Jehovah, Tompon’ ny maro, Manaisotra amin’ i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: Dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan’ aina, | For, behold, the Lord, the Lord of hosts, doth take away from Jerusalem and from Judah the stay and the staff, the whole stay of bread, and the whole stay of water, |
| 2 | Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona, | The mighty man, and the man of war, the judge, and the prophet, and the prudent, and the ancient, |
| 3 | Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody. | The captain of fifty, and the honourable man, and the counsellor, and the cunning artificer, and the eloquent orator. |
| 4 | Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy. | And I will give children to be their princes, and babes shall rule over them. |
| 5 | Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin’ ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin’ ny manan-daza. | And the people shall be oppressed, every one by another, and every one by his neighbour: the child shall behave himself proudly against the ancient, and the base against the honourable. |
| 6 | Raha misy olona angatahin’ ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao, | When a man shall take hold of his brother of the house of his father, saying, Thou hast clothing, be thou our ruler, and let this ruin be under thy hand: |
| 7 | Dia namaly izy amin’ izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho. | In that day shall he swear, saying, I will not be an healer; for in my house is neither bread nor clothing: make me not a ruler of the people. |
| 8 | Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an’ i Jehovah Mba hihaika ny mason’ ny voninahiny. | For Jerusalem is ruined, and Judah is fallen: because their tongue and their doings are against the Lord, to provoke the eyes of his glory. |
| 9 | Ny fisehon’ ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an’ i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan’ ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin’ ny tenany izy. | The shew of their countenance doth witness against them; and they declare their sin as Sodom, they hide it not. Woe unto their soul! for they have rewarded evil unto themselves. |
| 10 | Lazaonareo ny amin’ ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny. | Say ye to the righteous, that it shall be well with him: for they shall eat the fruit of their doings. |
| 11 | Lozan’ ny ratsy fanahy! hiharan’ ny ratsy izy, Satria ny valin’ ny nataon’ ny tànany ihany no hanody azy. | Woe unto the wicked! it shall be ill with him: for the reward of his hands shall be given him. |
| 12 | Ny amin’ ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny lalana alehanao. | As for my people, children are their oppressors, and women rule over them. O my people, they which lead thee cause thee to err, and destroy the way of thy paths. |
| 13 | Jehovah mitsangana handahatra Ka miatrika hitsara ny firenena. | The Lord standeth up to plead, and standeth to judge the people. |
| 14 | Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben’ ny olony amin’ ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan’ ny malahelo izay efa nalaina an-keriny. | The Lord will enter into judgment with the ancients of his people, and the princes thereof: for ye have eaten up the vineyard; the spoil of the poor is in your houses. |
| 15 | Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan’ ny malahelo? Hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. | What mean ye that ye beat my people to pieces, and grind the faces of the poor? saith the Lord God of hosts. |
| 16 | Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin’ i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony, | Moreover the Lord saith, Because the daughters of Zion are haughty, and walk with stretched forth necks and wanton eyes, walking and mincing as they go, and making a tinkling with their feet: |
| 17 | Noho izany dia hataon’ ny Tompo feno tako-pery ny tampon-dohan’ ny zanakavavin’ i Ziona, Ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany. | Therefore the Lord will smite with a scab the crown of the head of the daughters of Zion, and the Lord will discover their secret parts. |
| 18 | Amin’ izany andro izany dia hesorin’ i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, | In that day the Lord will take away the bravery of their tinkling ornaments about their feet, and their cauls, and their round tires like the moon, |
| 19 | Na ny kavina voavola, na ny rojo, na ny fisalobonana makarakara, | The chains, and the bracelets, and the mufflers, |
| 20 | Na ny satroka, na ny rojo parapaingo, na ny fehin-kibo misy haingony, Na ny fitoeran-dranomanitra, na ny ody fanaony ravaka, | The bonnets, and the ornaments of the legs, and the headbands, and the tablets, and the earrings, |
| 21 | Na ny peratra, na ny kavin’ orona, | The rings, and nose jewels, |
| 22 | Na ny akanjo fihaingoana, na ny kapôty, Na ny saly, na ny poketra, | The changeable suits of apparel, and the mantles, and the wimples, and the crisping pins, |
| 23 | Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana, na ny lamba fisaronana; | The glasses, and the fine linen, and the hoods, and the vails. |
| 24 | Ary ny manitra hosoloana ny maimbo; Ary ny fehin-kibo tsara hosoloana ny mahazaka; Ary ny volo voavoatra tsara hosoloana ny boriana; Ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny lamba fisaonana; Ary ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin’ ny vy mahamay. | And it shall come to pass, that instead of sweet smell there shall be stink; and instead of a girdle a rent; and instead of well set hair baldness; and instead of a stomacher a girding of sackcloth; and burning instead of beauty. |
| 25 | Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an’ ady; | Thy men shall fall by the sword, and thy mighty in the war. |
| 26 | Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky, | And her gates shall lament and mourn; and she being desolate shall sit upon the ground. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL