이사야 33장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 이사야 (Isaiah) · 24절
- 1 Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa.
- 2 Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Hianao no antenainay; Aoka ho sandrinay isa-maraina ianao sy ho famonjena anay amin’ ny andro fahoriana.
- 3 Ny feon’ ny fitabatabana no mampandositra ny firenena; Raha misandratra Hianao, dia mipariaka ny jentilisa.
- 4 Ary ireny handevona ny babonareo tahaka ny fandevon’ ny valala, tahaka ny fifanaretsaky ny kalalao no fifanaretsany eo aminy.
- 5 Manerinarina Jehovah, fa mitoetra any amin’ ny avo Izy; Nofenoiny rariny sy fahamarinana Ziona.
- 6 Ary hisy andro tsy manam-piovana ho anao, eny, haren’ ny famonjena sy ny fahendrena ary ny fahalalana; Ny fahatahorana an’ i Jehovah no rakitrao.
- 7 Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; Ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.
- 8 Maty ny lalambe; Tsy misy ny mpandeha; Nofoanany ny fanekena; Nalany baraka ny tanàna; Tsy nanaja olona izy.
- 9 Misaona ny tany ka milofika; Menatra Libanona ka malazo; Efa tonga tahaka ny tani-hay Sarôna, Ary manintsana Basana sy Karmela.
- 10 Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy Jehovah; Ankehitriny dia ho any amin’ ny avo Aho; Ankehitriny dia hisandratra Aho.
- 11 Torontoronina bozaka ianareo ka miteraka vodivary; Ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo.
- 12 Ary ny firenena ho tahaka ny fandoroan-tsokay, eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin’ ny afo izy.
- 13 Mihainoa ny amin’ izay efa nataoko, ianareo izay lavitra, ary aoka hahafantatra ny heriko ianareo izay akaiky.
- 14 Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy. Iza amintsika no hahatoetra amin’ ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin’ ny lelafo mandrakizay?
- 15 Izay mandeha amin’ ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin’ ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadiny mba tsy handrenesany ny amin’ ny fandatsahan-drà sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
- 16 Izy no honina ao amin’ ny avo; Ny fitoerana avony dia ny fiarovana any amin’ ny harambato; Izay hohaniny dia homena azy, ary ny rano hosotroiny tsy ho diso.
- 17 Ny masonao hahita ny mpanjaka amin’ ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka.
- 18 Hotsaroan’ ny fonao ilay nahatahotra: Aiza ny mpanoratra? Aiza ny mpandanja? Aiza ny mpanisa ny tilikambo?
- 19 Ny firenena misetaseta dia tsy ho hitanao intsony, dia ilay olona miboediboedi-piteny ka tsy fantatra, na ny lela mikodedidedy ka tsy azo.
- 20 Tsiniovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin’ ny fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita an’ i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.
- 21 Fa Jehovah dia mahery ho antsika any, tany be ony sy lahin-drano lehibe any, nefa sy halehan’ ny sambo voizina, na hovakin’ ny sambo lehibe.
- 22 Fa Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no mpanome lalàna antsika; Jehovah no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
- 23 Mivaha ny mahazakan-tsambonao; Tsy mahahazona mafy ny fiorenan’ andry izy, na mahavelatra ny lay; Fa amin’ izay kosa dia hozaraina ny zavatra be voababo; Na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany.
- 24 Tsy hisy amin’ ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗