이사야 26장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 이사야 (Isaiah) · 21절
- 1 Amin’ izany andro izany dia hohiraina eto amin’ ny tanin’ ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no hotendren’ i Jehovah ho manda sy fiarovana.
- 2 Vohay ny vavahady, mba hidiran’ ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.
- 3 Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
- 4 Matokia an’ i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.
- 5 Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin’ ny tany ka: azerany ho amin’ ny vovoka.
- 6 Hitsahin’ ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian’ ny mahantra.
- 7 Voaravona ny lalan’ ny marina: Eny, aravonao ho marina indrindra ny alehan’ ny marina.
- 8 Koa amin’ ny lalan’ ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin’ ny fanahinay.
- 9 Amin’ ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’ izao tontolo izao.
- 10 Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin’ ny tanin’ ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan’ i Jehovah.
- 11 Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren’ ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin’ ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao.
- 12 Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.
- 13 Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.
- 14 Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
- 15 Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.
- 16 Jehovah ô, nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; Nony niharan’ ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo.
- 17 Tahaka izay bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo imasonao, Jehovah ô,
- 18 Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita famonjena ho an’ ny tany izahay, ka tsy niteraka ny mponina amin’ izao tontolo izao.
- 19 Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin’ ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin’ ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.
- 20 Mandehana, ry oloko, midìra ao amin’ ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja Mandra-pahalasan’ ny fahatezerana.
- 21 Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗