이사야 21장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 이사야 (Isaiah) · 17절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo ny Efitra Ranobe. Tahaka ny firimorimon’ ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin’ ny tany mahatahotra. | The burden of the desert of the sea. As whirlwinds in the south pass through; so it cometh from the desert, from a terrible land. |
| 2 | Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra. | A grievous vision is declared unto me; the treacherous dealer dealeth treacherously, and the spoiler spoileth. Go up, O Elam: besiege, O Media; all the sighing thereof have I made to cease. |
| 3 | Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian’ ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany. | Therefore are my loins filled with pain: pangs have taken hold upon me, as the pangs of a woman that travaileth: I was bowed down at the hearing of it; I was dismayed at the seeing of it. |
| 4 | Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako. | My heart panted, fearfulness affrighted me: the night of my pleasure hath he turned into fear unto me. |
| 5 | Velarina ny latabatra, miambina ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona mitsangàna, ianareo lehibe, ka hosory ny ampinga! | Prepare the table, watch in the watchtower, eat, drink: arise, ye princes, and anoint the shield. |
| 6 | Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy. | For thus hath the Lord said unto me, Go, set a watchman, let him declare what he seeth. |
| 7 | Dia nahita izy ka indreo mpitaingina manao andiany mandeha tsiroaroa sy boriky andiany ary rameva andiany. Ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino; | And he saw a chariot with a couple of horsemen, a chariot of asses, and a chariot of camels; and he hearkened diligently with much heed: |
| 8 | Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin’ ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin’ ny fiambenako aho mandritra ny alina; | And he cried, A lion: My lord, I stand continually upon the watchtower in the daytime, and I am set in my ward whole nights: |
| 9 | Koa, indreo, avy ny olona andiany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin’ ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ ny tany. | And, behold, here cometh a chariot of men, with a couple of horsemen. And he answered and said, Babylon is fallen, is fallen; and all the graven images of her gods he hath broken unto the ground. |
| 10 | Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô! Izay efa reko tamin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo. | O my threshing, and the corn of my floor: that which I have heard of the Lord of hosts, the God of Israel, have I declared unto you. |
| 11 | Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Edoma. Misy miantso ahy any Seïra manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? | The burden of Dumah. He calleth to me out of Seir, Watchman, what of the night? Watchman, what of the night? |
| 12 | Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena. | The watchman said, The morning cometh, and also the night: if ye will enquire, enquire ye: return, come. |
| 13 | Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Arabia. Any an’ ala any Arabia no andrianareo, ry andian’ ny Dedanita. | The burden upon Arabia. In the forest in Arabia shall ye lodge, O ye travelling companies of Dedanim. |
| 14 | Itondrana rano ny mangetaheta; Ny mponina amin’ ny tany Tema mitsena hanina ny mandositra; | The inhabitants of the land of Tema brought water to him that was thirsty, they prevented with their bread him that fled. |
| 15 | Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady. | For they fled from the swords, from the drawn sword, and from the bent bow, and from the grievousness of war. |
| 16 | Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Ato anatin’ ny herintaona, tahaka ny taonan’ ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr’ i Kedara; | For thus hath the Lord said unto me, Within a year, according to the years of an hireling, and all the glory of Kedar shall fail: |
| 17 | Ary ny tsipìka sisa izay; an’ ny lehilahy mahery, taranak’ i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny. | And the residue of the number of archers, the mighty men of the children of Kedar, shall be diminished: for the Lord God of Israel hath spoken it. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL