이사야 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 이사야 (Isaiah) · 22절
- 1 Ny teny izay hitan’ Isaia, zanak’ i Amoza, ny amin’ ny Joda sy Jerosalema.
- 2 Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
- 3 Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah, Ho any an-tranon’ Andriamanitr’ i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin’ ny lalany, Ka handehanantsika amin’ ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan’ ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin’ i Jehovah.
- 4 Ary hitsara ny adin’ ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony
- 5 Ry taranak’ i Jakoba, Avia, ary aoka isika handeha amin’ ny fahazavan’ i Jehovah.
- 6 Fa efa nanary ny taranak’ i Jakoba olonao Hianao, Satria feno ny fanao avy any atsinanana izy Ary efa mpanandro tahaka ny Filistina Sady efa be zana-bahiny.
- 7 Ary ny taniny dia feno volafotsy sy volamena. Sady tsy hita lany ny hareny; Ary ny taniny dia feno soavaly, Sady tsy hita isa ny kalesiny;
- 8 Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan’ ny asan’ ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon’ ny rantsan-tanany;
- 9 Koa ny zanak’ olombelona hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary aza mamela ny helony Hianao!
- 10 Midìra ao amin’ ny vatolampy, Ary miere ao amin’ ny vovoka Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.
- 11 Ny fiandranandran’ ny mason’ ny zanak’ olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan’ ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany.
- 12 Fa misy andron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,
- 13 Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana
- 14 Sy ny tendrombohitra avo rehetra Sy ny havoana andrandraina
- 15 Sy ny tilikambo miringiringy rehetra Sy ny manda mafy rehetra
- 16 Sy ny sambon’ i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra;
- 17 Ary ny fireharehan’ ny zanak’ olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan’ ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany.
- 18 Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.
- 19 Ary hiditra ao amin’ ny zohy sy ny lava-bato ny olona Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
- 20 Amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona Ho an’ ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany
- 21 Mba hidirany eo amin’ ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
- 22 Mitsahara, fa aza mitoky amin’ ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy?
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗