이사야 19장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 이사야 (Isaiah) · 25절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany, ary ny fon’ i Egypta dia ketraka ao anatiny. | The burden of Egypt. Behold, the Lord rideth upon a swift cloud, and shall come into Egypt: and the idols of Egypt shall be moved at his presence, and the heart of Egypt shall melt in the midst of it. |
| 2 | Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin’ ny rahalahiny avy sy amin’ ny namany avy izy; Ny tanàna hiady amin’ ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ ny fanjakana. | And I will set the Egyptians against the Egyptians: and they shall fight every one against his brother, and every one against his neighbour; city against city, and kingdom against kingdom. |
| 3 | Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin’ ny andriamani-tsi-izy sy amin’ ny mpibitsibitsika amin’ ny odiny izy sy amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin’ ny mpanao sikidy. | And the spirit of Egypt shall fail in the midst thereof; and I will destroy the counsel thereof: and they shall seek to the idols, and to the charmers, and to them that have familiar spirits, and to the wizards. |
| 4 | Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin’ izay fitondrana mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. | And the Egyptians will I give over into the hand of a cruel lord; and a fierce king shall rule over them, saith the Lord, the Lord of hosts. |
| 5 | Ny rano amin’ ny ranomasina ho tankina, ary ny ony ho ritra ka ho maina; | And the waters shall fail from the sea, and the river shall be wasted and dried up. |
| 6 | Ho maimbo ny sampantsampan’ ny ony; Ary ny lahin-dranon’ i Egypta hihena ka ho maina; Ny volotara sy ny zozoro halazo; | And they shall turn the rivers far away; and the brooks of defence shall be emptied and dried up: the reeds and flags shall wither. |
| 7 | Ny tany eny amoron’ i Neily sy ny tanimbary rehetra eny amoron’ i Neily samy ho maina sy hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony. | The paper reeds by the brooks, by the mouth of the brooks, and every thing sown by the brooks, shall wither, be driven away, and be no more. |
| 8 | Dia hitomany ny mpaka hazandrano, ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka harato amin’ ny rano. | The fishers also shall mourn, and all they that cast angle into the brooks shall lament, and they that spread nets upon the waters shall languish. |
| 9 | Ho very fanantenana izay mandraotra rongony amin’ ny fihogo sy izay manenona hariry. | Moreover they that work in fine flax, and they that weave networks, shall be confounded. |
| 10 | Ny andrin’ ny tany ho torotoro, ary ny mpikarama rehetra halahelo. | And they shall be broken in the purposes thereof, all that make sluices and ponds for fish. |
| 11 | Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak’ izay hendry indrindra amin’ ny mpanolotsain’ i Farao; Ahoana no ilazanareo amin’ i Farao hoe: Zanak’ olon-kendry aho sady taranak’ ireo mpanjaka fahagola? | Surely the princes of Zoan are fools, the counsel of the wise counsellors of Pharaoh is become brutish: how say ye unto Pharaoh, I am the son of the wise, the son of ancient kings? |
| 12 | Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy, ary aoka ho fantany izay nokasain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, hatao amin’ i Egypta. | Where are they? where are thy wise men? and let them tell thee now, and let them know what the Lord of hosts hath purposed upon Egypt. |
| 13 | Efa adala ny mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa; Ary efa nampivembena an’ i Egypta ireo fehizoron’ ny fireneny. | The princes of Zoan are become fools, the princes of Noph are deceived; they have also seduced Egypt, even they that are the stay of the tribes thereof. |
| 14 | Jehovah efa nampidina fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin’ ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa. | The Lord hath mingled a perverse spirit in the midst thereof: and they have caused Egypt to err in every work thereof, as a drunken man staggereth in his vomit. |
| 15 | Samy tsy hahatontosa ny asany ny Egyptiana, na ny loha na ny rambo, na ny sampan-drofia na ny zozoro. | Neither shall there be any work for Egypt, which the head or tail, branch or rush, may do. |
| 16 | Amin’ izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy. | In that day shall Egypt be like unto women: and it shall be afraid and fear because of the shaking of the hand of the Lord of hosts, which he shaketh over it. |
| 17 | Ary ny tanin’ ny Joda dia ho fahatahoran’ i Egypta, ka na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izay kasainy ny amin’ ny hamelezana azy. | And the land of Judah shall be a terror unto Egypt, every one that maketh mention thereof shall be afraid in himself, because of the counsel of the Lord of hosts, which he hath determined against it. |
| 18 | Amin’ izany andro izany dia hisy tanana dimy amin’ ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin’ i Kanana sy hianiana ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa. | In that day shall five cities in the land of Egypt speak the language of Canaan, and swear to the Lord of hosts; one shall be called, The city of destruction. |
| 19 | Amin’ izany andro izany dia hisy alitara ho an’ i Jehovah eo amin’ ny tany Egypta sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an’ i Jehovah. | In that day shall there be an altar to the Lord in the midst of the land of Egypt, and a pillar at the border thereof to the Lord. |
| 20 | Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ao amin’ ny tany Egypta izany; Fa hitaraina amin’ i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy. | And it shall be for a sign and for a witness unto the Lord of hosts in the land of Egypt: for they shall cry unto the Lord because of the oppressors, and he shall send them a saviour, and a great one, and he shall deliver them. |
| 21 | Ary Jehovah hanao izay hahafantaran’ ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an’ i Jehovah amin’ izany andro izany; Dia hanompo Azy amin’ ny fanatitra alatsa-drà sy amin’ ny fanatitra hohanina izy ka hivoady amin’ i Jehovah sady hanefa ny voadiny. | And the Lord shall be known to Egypt, and the Egyptians shall know the Lord in that day, and shall do sacrifice and oblation; yea, they shall vow a vow unto the Lord, and perform it. |
| 22 | Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin’ i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy. | And the Lord shall smite Egypt: he shall smite and heal it: and they shall return even to the Lord, and he shall be intreated of them, and shall heal them. |
| 23 | Amin’ izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka. | In that day shall there be a highway out of Egypt to Assyria, and the Assyrian shall come into Egypt, and the Egyptian into Assyria, and the Egyptians shall serve with the Assyrians. |
| 24 | Amin’ izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony amin’ i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo amin’ ny tany; | In that day shall Israel be the third with Egypt and with Assyria, even a blessing in the midst of the land: |
| 25 | Fa hotahin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan’ ny tanako, ary Isiraely lovako. | Whom the Lord of hosts shall bless, saying, Blessed be Egypt my people, and Assyria the work of my hands, and Israel mine inheritance. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL