이사야 17장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 이사야 (Isaiah) · 14절
- 1 Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy.
- 2 Efa lao ny tanànan’ i Aroera ka ho an’ ny andian’ ny ondry aman’ osy, handry ao ireo, ka tsy hisy hanaitaitra azy,
- 3 Ary tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy; Ary izay sisa amin’ i Syria dia hitovy voninahitra amin’ ny Zanak’ Isiraely; Hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
- 4 Ary amin’ izany andro izany dia hihena ny voninahitr’ i Jakoba, ary hihena ny hataviny.
- 5 Ary ho tahaka ny fanangon’ ny olona ny vary an-tahony amin’ ny fararano izany, ka tangosan’ ny sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka ny fanangon’ ny olona salohim-bary eny amin’ ny lohosahan’ ny Refaïta;
- 6 Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny amin’ ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin’ ny rantsan’ ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
- 7 Amin’ izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin’ ny Isiraely,
- 8 Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan’ ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon’ ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny tsangankazo ho an’ ny masoandro.
- 9 Amin’ izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an’ ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan’ ny olona teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely, ka dia ho foana ny tany.
- 10 Fa nanadino an’ Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin’ ny firenena hafa no nambolenao teo;
- 11 Tamin’ ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin’ ny andro fangirifiriana sy fanaintainana tsy azo sitranina.
- 12 Indrisy ny fihahohahon’ ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon’ ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon’ ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon’ ny rano manonja ny firohondrohony!
- 13 Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon’ ny rano be ny firenena; kanefa hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin’ ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin’ ny tadio.
- 14 Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran’ izay mamabo antsika sy tambin’ izay mandroba antsika.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗