이사야 16장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 이사야 (Isaiah) · 14절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Atero ny zanak’ ondrin’ ny mpanapaka ny tany, dia miala an’ i Sela ka mamaky ny efitra hatramin’ ny tendrombohitr’ i Ziona zanakavavy. | Send ye the lamb to the ruler of the land from Sela to the wilderness, unto the mount of the daughter of Zion. |
| 2 | Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin’ ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin’ i Moaba ao amin’ ny fitàna any Arnona. | For it shall be, that, as a wandering bird cast out of the nest, so the daughters of Moab shall be at the fords of Arnon. |
| 3 | Manolora saina, manomeza rariny ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin’ ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra! | Take counsel, execute judgment; make thy shadow as the night in the midst of the noonday; hide the outcasts; bewray not him that wandereth. |
| 4 | Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren’ i Moaba ianao, mba tsy ho azon’ ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin’ ny tany intsony ny mpanosihosy. | Let mine outcasts dwell with thee, Moab; be thou a covert to them from the face of the spoiler: for the extortioner is at an end, the spoiler ceaseth, the oppressors are consumed out of the land. |
| 5 | Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin’ ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin’ ny fahamarinana ao an-dain’ i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny. | And in mercy shall the throne be established: and he shall sit upon it in truth in the tabernacle of David, judging, and seeking judgment, and hasting righteousness. |
| 6 | Efa renay ny fiavonavonan’ i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana. | We have heard of the pride of Moab; he is very proud: even of his haughtiness, and his pride, and his wrath: but his lies shall not be so. |
| 7 | Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok’ i Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra. | Therefore shall Moab howl for Moab, every one shall howl: for the foundations of Kir–hareseth shall ye mourn; surely they are stricken. |
| 8 | Fa malazo avokoa ny sahan’ i Hesbona sy ny voalobok’ i Sibma, norantsanan’ ny andrian’ ny firenena ny sakeliny, tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina. | For the fields of Heshbon languish, and the vine of Sibmah: the lords of the heathen have broken down the principal plants thereof, they are come even unto Jazer, they wandered through the wilderness: her branches are stretched out, they are gone over the sea. |
| 9 | Koa izany no hitomaniako ny voalobok’ i Sibma, toy ny fitomanian’ i Jazera, handena anao amin’ ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin’ ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana. | Therefore I will bewail with the weeping of Jazer the vine of Sibmah: I will water thee with my tears, O Heshbon, and Elealeh: for the shouting for thy summer fruits and for thy harvest is fallen. |
| 10 | Ny hafaliana sy ny haravoravoana efa nesorina tamin’ ny saha mahavokatra, ka tsy hisy hoby na horakoraka ao amin’ ny tanim-boaloboka; Ny mpanosihosy tsy hanosihosy divay intsony ao amin’ ny famiazana; Efa natsahatro ny fihobiana amin’ ny fararano. | And gladness is taken away, and joy out of the plentiful field; and in the vineyards there shall be no singing, neither shall there be shouting: the treaders shall tread out no wine in their presses; I have made their vintage shouting to cease. |
| 11 | Ary noho izany ny tsinaiko dia mitaraina manao feon-dokanga noho ny amin’ i Moaba, ary ny ato anatiko noho ny amin’ i Kira-haresa. | Wherefore my bowels shall sound like an harp for Moab, and mine inward parts for Kir–haresh. |
| 12 | Ary rehefa miseho Moaba ka sasatra ao amin’ ny fitoerana avo. Ary mankao amin’ ny fitoerany masìna mba hivavaka, dia tsy hahazo na inona na inona izy. | And it shall come to pass, when it is seen that Moab is weary on the high place, that he shall come to his sanctuary to pray; but he shall not prevail. |
| 13 | Izany no tenin’ i Jehovah nataony fahiny ny amin’ i Moaba. | This is the word that the Lord hath spoken concerning Moab since that time. |
| 14 | Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin’ ny telo taona, tahaka ny taonan’ ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr’ i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro. | But now the Lord hath spoken, saying, Within three years, as the years of an hireling, and the glory of Moab shall be contemned, with all that great multitude; and the remnant shall be very small and feeble. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL