이사야 15장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 이사야 (Isaiah) · 9절
- 1 Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Moaba. Fa tamin’ ny indray alina no nandravana an’ i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin’ ny indray alina no nandravana an’ i Kira-moaba, ka fongotra izy;
- 2 Miakatra ho ao amin’ ny tempoly sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin’ ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran’ i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra rehetra.
- 3 Eny an-dalambe dia misikìna lamba fisaonana izy; eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy, eny, mijohy ny ranomasony.
- 4 Ary mitaraina Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny feony, ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan’ i Moaba, Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.
- 5 Ny foko mitaraina noho ny amin’ i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara sy Egleta-selisia; fa miakatra mitomany ao amin’ ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin’ ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima.
- 6 Fa Nimrima tsara rano dia tonga karankaina; maina ny ahitra, malazo ny zava-maniry, ka tsy misy zava-maitso intsony.
- 7 Ary amin’ izany ny harena be izay nohariny ny entany izay mbola voatahiriny dia entiny ho any am-pitan’ ny lohasahan-driaky ny hazomalahelo.
- 8 Fa ny fitarainany manodidina ny sisin’ i Moaba, re hatrany Eglaima ny fidradradradrany Eny, re hatrany Ber-elima ny fidradradradrany.
- 9 Fa ny ranon’ i Dimona dia feno rà; fa mbola hampiako ny loza manjo an’ i Dimona, dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba, sy handany izay sisa amin’ ny tany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗