로그인

요한일서 1장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한일서 (1 John) · 10절

  1. 1 Izay hatramin’ ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ ny tananay, dia ny amin’ ny Teny Fiainana
  2. 2 (fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ ny Ray ka efa naseho taminay), ―
  3. 3 izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ ny Ray sy amin’ i Jesosy Kristy Zanany.
  4. 4 Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika.
  5. 5 Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.
  6. 6 Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin’ ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.
  7. 7 Fa raha mandeha eo amin’ ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’ i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra.
  8. 8 Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.
  9. 9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ ny tsi-fahamarinana rehetra.
  10. 10 Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗