요한삼서 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한삼서 (3 John) · 15절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Izaho loholona mamangy an’ i Galo, ilay malala, izay tiako amin’ ny fahamarinana. | The elder unto the wellbeloved Gaius, whom I love in the truth. |
| 2 | Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany. | Beloved, I wish above all things that thou mayest prosper and be in health, even as thy soul prospereth. |
| 3 | Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana. | For I rejoiced greatly, when the brethren came and testified of the truth that is in thee, even as thou walkest in the truth. |
| 4 | Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako. | I have no greater joy than to hear that my children walk in truth. |
| 5 | Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin’ inona na amin’ inona ataonao amin’ ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy, | Beloved, thou doest faithfully whatsoever thou doest to the brethren, and to strangers; |
| 6 | izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan’ ny fiangonana; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin’ Andriamanitra ianao; | Which have borne witness of thy charity before the church: whom if thou bring forward on their journey after a godly sort, thou shalt do well: |
| 7 | fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin’ ny jentilisa izy. | Because that for his name’s sake they went forth, taking nothing of the Gentiles. |
| 8 | Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ ny fahamarinana. | We therefore ought to receive such, that we might be fellowhelpers to the truth. |
| 9 | Nanoratra tamin’ ny fiangonana Ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay. | I wrote unto the church: but Diotrephes, who loveth to have the preeminence among them, receiveth us not. |
| 10 | Koa amin’ izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin’ izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia raràny sy roahiny hiala amin’ ny fiangonana. | Wherefore, if I come, I will remember his deeds which he doeth, prating against us with malicious words: and not content therewith, neither doth he himself receive the brethren, and forbiddeth them that would, and casteth them out of the church. |
| 11 | Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’ Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an’ Andriamanitra. | Beloved, follow not that which is evil, but that which is good. He that doeth good is of God: but he that doeth evil hath not seen God. |
| 12 | Demetrio dia tsara laza amin’ ny olona rehetra sy amin’ ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay. | Demetrius hath good report of all men, and of the truth itself: yea, and we also bear record; and ye know that our record is true. |
| 13 | Nanana zavatra maro hosoratana aho, nefa tsy tiako hosoratana aminao amin’ ny ranomainty sy ny penina; | I had many things to write, but I will not with ink and pen write unto thee: |
| 14 | fa manantena hahita anao faingana ihany aho, dia hiteny mifanatrika isika. | But I trust I shall shortly see thee, and we shall speak face to face. Peace be to thee. Our friends salute thee. Greet the friends by name. |
| 15 | Ho aminao anie ny fiadanana. Ny sakaiza atỳ manao veloma anao. Veloma amin’ ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL