요한복음 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한복음 (John) · 47절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Rehefa afaka izany, dia nisy andro firavoravoan’ ny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema. | After this there was a feast of the Jews; and Jesus went up to Jerusalem. |
| 2 | Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin’ ny vavahadin’ ondry, izay atao amin’ ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy. | Now there is at Jerusalem by the sheep market a pool, which is called in the Hebrew tongue Bethesda, having five porches. |
| 3 | Tao no nandrian’ ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila. | In these lay a great multitude of impotent folk, of blind, halt, withered, waiting for the moving of the water. |
| 4 | | For an angel went down at a certain season into the pool, and troubled the water: whosoever then first after the troubling of the water stepped in was made whole of whatsoever disease he had. |
| 5 | Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telo-polo taona. | And a certain man was there, which had an infirmity thirty and eight years. |
| 6 | Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho sitrana va ianao? | When Jesus saw him lie, and knew that he had been now a long time in that case, he saith unto him, Wilt thou be made whole? |
| 7 | Ilay marary namaly Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin’ ny farihy; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako. | The impotent man answered him, Sir, I have no man, when the water is troubled, to put me into the pool: but while I am coming, another steppeth down before me. |
| 8 | Hoy Jesosy taminy: Mitsangana, ento ny fandrianao, ka mandehana. | Jesus saith unto him, Rise, take up thy bed, and walk. |
| 9 | Ary niaraka tamin’ izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha. Ary Sabata izay andro izay. | And immediately the man was made whole, and took up his bed, and walked: and on the same day was the sabbath. |
| 10 | Dia hoy ny Jiosy tamin’ ilay efa sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao ianao. | The Jews therefore said unto him that was cured, It is the sabbath day: it is not lawful for thee to carry thy bed. |
| 11 | Fa ralehilahy namaly azy hoe: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana. | He answered them, He that made me whole, the same said unto me, Take up thy bed, and walk. |
| 12 | Ary ireo nanontany azy hoe: Iza moa izany Lehilahy izany Izay nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana? | Then asked they him, What man is that which said unto thee, Take up thy bed, and walk? |
| 13 | Fa ilay sitrana tsy nahalala Ary; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo. | And he that was healed wist not who it was: for Jesus had conveyed himself away, a multitude being in that place. |
| 14 | Rehefa afaka izany, dia hitan’ i Jesosy teo an-kianjan’ ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana ianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo. | Afterward Jesus findeth him in the temple, and said unto him, Behold, thou art made whole: sin no more, lest a worse thing come unto thee. |
| 15 | Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin’ ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy. | The man departed, and told the Jews that it was Jesus, which had made him whole. |
| 16 | Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an’ i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin’ ny Sabata Izy. | And therefore did the Jews persecute Jesus, and sought to slay him, because he had done these things on the sabbath day. |
| 17 | Fa Jesosy namaly azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa. | But Jesus answered them, My Father worketh hitherto, and I work. |
| 18 | Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin’ ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin’ Andriamanitra Izy. | Therefore the Jews sought the more to kill him, because he not only had broken the sabbath, but said also that God was his Father, making himself equal with God. |
| 19 | Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ ny Ray dia toy izany koa no ataon’ ny Zanaka. | Then answered Jesus and said unto them, Verily, verily, I say unto you, The Son can do nothing of himself, but what he seeth the Father do: for what things soever he doeth, these also doeth the Son likewise. |
| 20 | Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga ianareo. | For the Father loveth the Son, and sheweth him all things that himself doeth: and he will shew him greater works than these, that ye may marvel. |
| 21 | Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman’ ny Zanaka izay tiany. | For as the Father raiseth up the dead, and quickeneth them; even so the Son quickeneth whom he will. |
| 22 | Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, | For the Father judgeth no man, but hath committed all judgment unto the Son: |
| 23 | mba hanajan’ ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy. | That all men should honour the Son, even as they honour the Father. He that honoureth not the Son honoureth not the Father which hath sent him. |
| 24 | Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana izy. | Verily, verily, I say unto you, He that heareth my word, and believeth on him that sent me, hath everlasting life, and shall not come into condemnation; but is passed from death unto life. |
| 25 | Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesan’ ny maty ny feon’ ny Zanak’ Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona. | Verily, verily, I say unto you, The hour is coming, and now is, when the dead shall hear the voice of the Son of God: and they that hear shall live. |
| 26 | Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy; | For as the Father hath life in himself; so hath he given to the Son to have life in himself; |
| 27 | ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’ olona. | And hath given him authority to execute judgment also, because he is the Son of man. |
| 28 | Aza gaga amin’ izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ ny olona rehetra any am-pasana ny feony; | Marvel not at this: for the hour is coming, in the which all that are in the graves shall hear his voice, |
| 29 | dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ fitsanganana ho fahamelohana. | And shall come forth; they that have done good, unto the resurrection of life; and they that have done evil, unto the resurrection of damnation. |
| 30 | Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’ izay naniraka Ahy. | I can of mine own self do nothing: as I hear, I judge: and my judgment is just; because I seek not mine own will, but the will of the Father which hath sent me. |
| 31 | Raha Izaho no manambara ny tenako, dia tsy marina ny fanambarako. | If I bear witness of myself, my witness is not true. |
| 32 | Misy Anankiray Izay manambara Ahy, ary fantatro fa marina ny fanambarana izay anambarany Ahy. | There is another that beareth witness of me; and I know that the witness which he witnesseth of me is true. |
| 33 | Hianareo naniraka tany amin’ i Jaona, ary nanambara ny marina izy. | Ye sent unto John, and he bare witness unto the truth. |
| 34 | Fa Izaho tsy mandray ny fanambarana avy amin’ olona; fa milaza izany zavatra izany Aho mba ho voavonjy ianareo. | But I receive not testimony from man: but these things I say, that ye might be saved. |
| 35 | Izy dia jiro nirehitra ka nazava; ary nahafinaritra anareo ny nifalianareo vetivety tamin’ faharavany. | He was a burning and a shining light: and ye were willing for a season to rejoice in his light. |
| 36 | Fa Izaho kosa manana fanambarana lehibe noho Jaona; fa ny asa nomen’ ny Ahy hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahin’ ny Ray. | But I have greater witness than that of John: for the works which the Father hath given me to finish, the same works that I do, bear witness of me, that the Father hath sent me. |
| 37 | Ary ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nanambara Ahy. Tsy mba renareo ny feony, na hitanareo akory aza ny endriny, | And the Father himself, which hath sent me, hath borne witness of me. Ye have neither heard his voice at any time, nor seen his shape. |
| 38 | ary ny teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo, satria tsy mino Izay nirahiny ianareo. | And ye have not his word abiding in you: for whom he hath sent, him ye believe not. |
| 39 | Dinihinareo ny Soratra Masìna, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. | Search the scriptures; for in them ye think ye have eternal life: and they are they which testify of me. |
| 40 | Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana. | And ye will not come to me, that ye might have life. |
| 41 | Tsy mandray laza avy amin’ olona | I receive not honour from men. |
| 42 | Fa fantatro ianareo, fa tsy misy fitiavana an’ Andriamanitra ao am-ponareo. | But I know you, that ye have not the love of God in you. |
| 43 | Izaho dia avy amin’ ny anaran’ ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin’ ny anaran’ ny tenany, dia horaisinareo ihany izy. | I am come in my Father’s name, and ye receive me not: if another shall come in his own name, him ye will receive. |
| 44 | Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin’ ny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo? | How can ye believe, which receive honour one of another, and seek not the honour that cometh from God only? |
| 45 | Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin’ ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo. | Do not think that I will accuse you to the Father: there is one that accuseth you, even Moses, in whom ye trust. |
| 46 | Fa raha mba nino an’ i Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy. | For had ye believed Moses, ye would have believed me: for he wrote of me. |
| 47 | Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko? | But if ye believe not his writings, how shall ye believe my words? |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL