요한복음 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한복음 (John) · 25절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary tamin’ ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin’ i Jesosy. | And the third day there was a marriage in Cana of Galilee; and the mother of Jesus was there: |
| 2 | Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin’ ny fampakaram-bady. | And both Jesus was called, and his disciples, to the marriage. |
| 3 | Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin’ i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy. | And when they wanted wine, the mother of Jesus saith unto him, They have no wine. |
| 4 | Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako. | Jesus saith unto her, Woman, what have I to do with thee? mine hour is not yet come. |
| 5 | Fa hoy ny reniny tamin’ ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo. | His mother saith unto the servants, Whatsoever he saith unto you, do it. |
| 6 | Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon’ ny vata avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon’ ny Jiosy. | And there were set there six waterpots of stone, after the manner of the purifying of the Jews, containing two or three firkins apiece. |
| 7 | Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin’ ny molony. | Jesus saith unto them, Fill the waterpots with water. And they filled them up to the brim. |
| 8 | Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin’ izao, ka ento ho eo amin’ ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny. | And he saith unto them, Draw out now, and bear unto the governor of the feast. And they bare it. |
| 9 | Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy | When the ruler of the feast had tasted the water that was made wine, and knew not whence it was: (but the servants which drew the water knew;) the governor of the feast called the bridegroom, |
| 10 | ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon’ ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny. | And saith unto him, Every man at the beginning doth set forth good wine; and when men have well drunk, then that which is worse: but thou hast kept the good wine until now. |
| 11 | Izany no nataon’ i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany. | This beginning of miracles did Jesus in Cana of Galilee, and manifested forth his glory; and his disciples believed on him. |
| 12 | Rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin’ ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela teo Izy. | After this he went down to Capernaum, he, and his mother, and his brethren, and his disciples: and they continued there not many days. |
| 13 | Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy. | And the Jews’ passover was at hand, and Jesus went up to Jerusalem, |
| 14 | Ary hitany teo an-kianjan’ ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo; | And found in the temple those that sold oxen and sheep and doves, and the changers of money sitting: |
| 15 | dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan’ ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny volan’ ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra; | And when he had made a scourge of small cords, he drove them all out of the temple, and the sheep, and the oxen; and poured out the changers’ money, and overthrew the tables; |
| 16 | dia hoy Izy tamin’ ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon’ ny Raiko. | And said unto them that sold doves, Take these things hence; make not my Father’s house an house of merchandise. |
| 17 | Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin’ ny tranonao no haharitra aina ahy. | And his disciples remembered that it was written, The zeal of thine house hath eaten me up. |
| 18 | Fa namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Hianao? | Then answered the Jews and said unto him, What sign shewest thou unto us, seeing that thou doest these things? |
| 19 | Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin’ ny hateloana dia hatsangako indray izy. | Jesus answered and said unto them, Destroy this temple, and in three days I will raise it up. |
| 20 | Fa hoy ny Jiosy: Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin’ ny hateloana? | Then said the Jews, Forty and six years was this temple in building, and wilt thou rear it up in three days? |
| 21 | Fa ny tenany no tempoly nolazainy. | But he spake of the temple of his body. |
| 22 | Ary koa, rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy, dia tsaroan’ ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary dia nino ny Soratra Masìna sy ny teny izay nolazain’ i Jesosy izy. | When therefore he was risen from the dead, his disciples remembered that he had said this unto them; and they believed the scripture, and the word which Jesus had said. |
| 23 | Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin’ ny Paska, dia tamin’ ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony. | Now when he was in Jerusalem at the passover, in the feast day, many believed in his name, when they saw the miracles which he did. |
| 24 | Fa Jesosy tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra; | But Jesus did not commit himself unto them, because he knew all men, |
| 25 | ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon’ ny olona. | And needed not that any should testify of man: for he knew what was in man. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL