요한복음 19장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한복음 (John) · 42절
- 1 Ary tamin’ izany dia nalain’ i Pilato Jesosy ka nokapohiny.
- 2 Ary ny miaramila nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiny lamba volomparasy Izy,
- 3 dia nanatona Azy ireo ka niteny hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ ny Jiosy! sady namely tahamaina Azy izy.
- 4 Dia nivoaka indray Pilato ka nanao taminy hoe: Indro, izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
- 5 Ary nivoaka Jesosy misatroka tsilo sy mitafy ny lamba volomparasy. Dia hoy Pilato tamin’ ny vahoaka: Indro ny Lehilahy!
- 6 Ary rehefa hitan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesosy, dia niantso ireo ka nanao hoe: Homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka homboy amin’ ny hazo fijaliana; fa izaho tsy mahita izay helony.
- 7 Fa ny Jiosy namaly azy hoe: Izahay manana lalàna, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak’ Andriamanitra.
- 8 Ary nony ren’ i Pilato izany teny izany, dia vao mainka natahotra izy,
- 9 dia niditra tao anati-rova indray izy ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Avy aiza moa Hianao? Fa tsy namaly azy akory Jesosy.
- 10 Dia hoy Pilato taminy: Tsy miteny amiko va Hianao? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin’ ny hazo fijaliana koa?
- 11 Jesosy namaly azy hoe: Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa.
- 12 Ary hatramin’ izany dia nitady handefa Azy Pilato; nefa ny Jiosy niantso ka nanao hoe: Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy mba sakaizan’ i Kaisara ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an’ i Kaisara.
- 13 Ary rehefa ren’ i Pilato izany teny izany, dia nitondra an’ i Jesosy nivoaka izy ka nipetraka teo amin’ ny seza fitsarana teo amin’ ny fitoerana atao hoe Lampivato, fa amin’ ny teny Hebreo Gabata
- 14 ary andro fiomanana amin’ ny Paska ny andro, tokony ho tamin’ ny ora fahenina dia hoy izy tamin’ ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo!
- 15 Fa niantso ireo hoe: Ento, ento, homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Hohomboako amin’ ny hazo fijaliana va ny Mpanjakanareo? Ny lohan’ ny mpisorona namaly hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.
- 16 Ary tamin’ izany Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin’ ny hazo fijaliana. Dia noraisin’ ireo Jesosy;
- 17 ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ ny teny Hebreo hoe Golgota.
- 18 Teo no nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany.
- 19 Ary Pilato nanoratra anarana, ka napetany teo amin’ ny hazo fijaliana. Ary izao no voasoratra: JESOSY AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN’ NY JIOSY.
- 20 Ary izany anarana izany dia novakin’ ny Jiosy maro, fa akaikin’ ny tanàna ny tany izay nanomboana an’ i Jesosy tamin’ ny hazo fijaliana; ary voasoratra tamin’ ny teny Hebreo sy Romana sy Grika izany.
- 21 Ary noho izany ny lohan’ ny mpisorona tamin’ ny Jiosy dia nanao tamin’ i Pilato hoe; Aza soratana hoe: Mpanjakan’ ny Jiosy; fa izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan’ ny Jiosy Aho.
- 22 Pilato namaly hoe: Izay voasoratro dia voasoratro.
- 23 Ary rehefa voahombon’ ny miaramila tamin’ ny hazo fijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; ary ny akanjony koa; fa tsy nisy vitrana ny akanjony, fa tenona iray ihany.
- 24 Dia niresaka hoe izy: Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an’ izay hahazo azy; mba hahatanteraka ny Soratra Masìna manao hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko. Izany zavatra izany no nataon’ ny miaramila.
- 25 Ary nijanona teo akaikin’ ny hazo fijalian’ i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, Maria, vadin’ i Klopa, sy Maria Magdalena.
- 26 Ary nony hitan’ i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy tamin’ ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao!
- 27 Ary hoy koa Izy tamin’ ilay mpianatra: Indro ny reninao! Ary tamin’ izany ora izany dia noraisin’ ilay mpianatra ho any aminy izy.
- 28 Ary rehefa afaka izany, dia fantatr’ i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin’ izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masìna, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho.
- 29 Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaingitra notohiziny tamin’ ny hysopa ka nataony tamin’ ny vavany.
- 30 Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny.
- 31 Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin’ i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon’ ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin’ ny hazo fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany.
- 32 Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ ny voalohany sy ny an’ ny anankiray koa izay niaraka nohomboana tamin’ i Jesosy tamin’ ny hazo fijaliana.
- 33 Fa nony nankeo amin’ i Jesosy izy, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony.
- 34 Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin’ izay dia nisy rà sy rano nandeha.
- 35 Ary ilay nahita dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany; ary fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.
- 36 Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masìna hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany.
- 37 Ary hoy koa ny teny iray ao amin’ ny Soratra Masìna: Hijery Izay nolefoniny izy.
- 38 Ary rehefa afaka izany, Josefa avy any Arimatia (mpianatr’ i Jesosy izy, nefa tamin’ ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy) dia nangataka tamin’ i Pilato, mba hahazoany manaisotra ny fatin’ i Jesosy. Ary nanaiky Pilato. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin’ i Jesosy.
- 39 Ary tonga koa Nikodemosy (ilay nankao amin’ i Jesosy nony alina tamin’ ny voalohany) ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra.
- 40 Dia noraisiny ny fatin’ i Jesosy ka nofonosiny lambam-paty mbamin’ ny zava-manitra, araka ny fanaon’ ny Jiosy, raha mamboatra faty halevina.
- 41 Ary nisy saha teo amin’ ilay nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana; ary teo anatin’ ilay saha nisy fasana vaovao, izay tsy mbola nandevenana olona.
- 42 Ary teo no nandevenany an’ i Jesosy noho ny andro fiomanan’ ny Jiosy, satria teo akaiky ny fasana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗