요한복음 14장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한복음 (John) · 31절
- 1 Aza malahelo ny fonareo; minoa an’ Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.
- 2 Ao an-tranon’ ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.
- 3 Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.
- 4 Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’ izay halehako.
- 5 Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana?
- 6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ ny Ray, afa-tsy amin’ ny alalako.
- 7 Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin’ izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.
- 8 Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.
- 9 Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?
- 10 Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.
- 11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin’ ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.
- 12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ ny Ray.
- 13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ ny Zanaka.
- 14 Raha mangataka zavatra amiko amin’ ny anarako ianareo, dia hataoko izany.
- 15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
- 16 Ary Izaho hangataka amin’ ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,
- 17 dia ny Fanahin’ ny fahamarinana, Izay tsy azon’ izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.
- 18 Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.
- 19 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo.
- 20 Amin’ izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ ny Raiko, ary ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.
- 21 Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.
- 22 Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin’ izao tontolo izao koa?
- 23 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.
- 24 Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ ny Ray izay naniraka Ahy.
- 25 Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho;
- 26 fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masìna, Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
- 27 Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’ izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.
- 28 Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin’ ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho.
- 29 Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga.
- 30 Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan’ izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy.
- 31 Fa mba ho fantatr’ izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian’ ny Ray Ahy, dia izany no hataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗