요한복음 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한복음 (John) · 51절
- 1 Tamin’ ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’ Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
- 2 Izy dia tao amin’ Andriamanitra tamin’ ny voalohany.
- 3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
- 4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
- 5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy.
- 6 Nisy lehilahy nirahin’ Andriamanitra, Jaona no anarany.
- 7 Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan’ ny olona rehetra noho ny teniny.
- 8 Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.
- 9 Tao ny tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin’ izao tontolo izao.
- 10 Teo amin’ izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.
- 11 Tonga tany amin’ ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.
- 12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,
- 13 dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon’ ny nofo, na ny sitrapon’ ny olona, fa naterak’ Andriamanitra.
- 14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ ny Lahitokana avy tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
- 15 Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy
- 16 Fa tamin’ ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana.
- 17 Fa ny lalàna dia nomena tamin’ ny alalan’ i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.
- 18 Tsy nisy nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ ny Ray, Izy no nanambara Azy.
- 19 Ary izao no nambaran’ i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?
- 20 Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy.
- 21 Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hoe: Tsia.
- 22 Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao? mba hitondranay valiny ho any amin’ izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao?
- 23 Dia hoy izy: Izaho dia feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan’ i Jehovah, araka izay nolazain’ Isaia mpaminany.
- 24 Ary iraka avy tamin’ ny Fariseo ireo.
- 25 Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?
- 26 Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin’ ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo,
- 27 dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
- 28 Izany zavatra izany dia natao tany Betania any an-dafin’ i Jordana, izay nanaovan’ i Jaona batisa.
- 29 Nony ampitso dia nahita an’ i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao!
- 30 Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.
- 31 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin’ ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin’ ny rano.
- 32 Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midìna avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny.
- 33 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin’ ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan’ ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin’ ny Fanahy Masìna.
- 34 Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’ Andriamanitra.
- 35 Nony ampitson’ iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy;
- 36 ary nijery an’ i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra!
- 37 Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an’ i Jesosy.
- 38 Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô), aiza Hianao no mitoetra?
- 39 Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin’ izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin’ izay.
- 40 Andrea, rahalahin’ i Simona Petera, no anankiray tamin’ izy roa lahy, izay nandre ny tenin’ i Jaona ka nanaraka an’ i Jesosy.
- 41 Izy no nahita an’ i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy).
- 42 Dia nitondra azy ho any amin’ i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak’ i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera)
- 43 Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an’ i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy.
- 44 Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan’ i Andrea sy Petera.
- 45 Filipo kosa nahita an’ i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan’ i Mosesy tao amin’ ny lalàna, sy nosoratan’ ny mpaminany, dia Jesosy, zanak’ i Josefa, avy any Nazareta.
- 46 Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha.
- 47 Jesosy nahita an’ i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka.
- 48 Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin’ ny aviavy ianao.
- 49 Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak’ Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan’ ny Isiraely.
- 50 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin’ ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao.
- 51 Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’ Andriamanitra miakatra sy midìna eo ambonin’ ny Zanak’ olona.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗