요한계시록 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한계시록 (Revelation) · 17절
- 1 Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin’ ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin’ ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin’ ny tany, na amin’ ny ranomasina, na amin’ ny hazo akory aza.
- 2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin’ ny fiposahan’ ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen’ Andriamanitra velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin’ ny feo mahery nanao hoe:
- 3 Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo anin’ ny handrin’ ny mpanompon’ Andriamanitsika.
- 4 Ary nahare ny isan’ izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ isiraely rehetra.
- 5 Avy tamin’ ny firenen’ i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin’ ny firenen’ i Robena roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Gada roa arivo amby iray alina.
- 6 Avy tamin’ ny firenen’ i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Manase roa arivo amby iray alina.
- 7 Avy tamin’ ny firenen’ i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Levy roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ Isakara roa arivo amby iray alina.
- 8 Avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.
- 9 Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ ny Zanak’ ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,
- 10 dia niantso tamin’ ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an’ Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana, sy ho an’ ny Zanak’ ondry.
- 11 Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin’ ny loholona sy ny zava-manan’ aina efatra, dia niankohoka teo anoloan’ ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin’ Andriamanitra
- 12 nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an’ Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena.
- 13 Ary ny anankiray tamin’ ny loholona namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy?
- 14 Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin’ ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry.
- 15 Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman’ alina eo amin’ ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary.
- 16 Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.
- 17 Fa ny Zanak’ ondry Izay eo afovoan’ ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ ny loharanon’ ny ranon’ aina; ary hofafan’ Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ ny masony.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗