요한계시록 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한계시록 (Revelation) · 14절
- 1 Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin’ ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianana.
- 2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin’ ny feo mafy hoe: Iza no miendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?
- 3 Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin’ ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy.
- 4 Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy.
- 5 Ary ny anankiray tamin’ ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin’ ny firenen’ i Joda, dia ny Solofon’ i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.
- 6 Ary hitako fa, indro, teo afovoan’ ny seza fiandrianana sy ny zava-manan’ aina efatra ary teo afovoan’ ny loholona dia nisy Zanak’ ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton’ Andriamanitra nirahina hankany amin’ ny tany rehetra.
- 7 Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianana.
- 8 Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan’ ny Zanak’ ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon’ ny olona masìna izany.
- 9 Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao ho an’ Andriamanitra olona avy tamin’ ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra;
- 10 Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’ Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin’ ny tany izy.
- 11 Ary nahita aho sady nandre feon’ anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan’ aina ary ny loholona, ary ny Isany dia alinalina sy arivoarivo,
- 12 nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Ny Zanak’ ondry, Izay novonoina, dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra.
- 13 Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin’ ny tany sy any ambanin’ ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin’ izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an’ ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana sy ho an’ ny Zanak’ ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.
- 14 Ary ny zava-manan’ aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗