요한계시록 11장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한계시록 (Revelation) · 19절
- 1 Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho, ka nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, ka refeso ny tempolin’ Andriamanitra sy ny alitara, ary isao izay mivavaka ao.
- 2 Fa ny kianja eo ivelan’ ny tempoly dia avelao ihany, fa aza mba refesina; fa nomena ny jentilisa izany, ka hanitsaka ny tanàna masìna roa amby efa-polo volana izy.
- 3 Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana.
- 4 Ireo ilay hazo oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany.
- 5 Ary raha misy ta-handratra ireo, dia misy afo mivoaka amin’ ny vavany ka mandany ny fahavalony; ary rana misy ta-handratra ireo, dia tsy maintsy hovonoina toy izany koa izy.
- 6 Ireo dia manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba tsy hilatsahan’ ny ranonorana amin’ ny andro aminaniany; ary manam-pahefana amin’ ny rano koa izy hampody azy ho rà sy hamely ny tany amin’ ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana.
- 7 Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibi-dia miakatra avy amin’ ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy.
- 8 Ary ny fatiny hiampatra eny an-dalambe amin’ ny tanàna lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin’ ny hazo fijaliana.
- 9 Ary ny olona sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena maro dia misy mijery ny fatiny hateloan’ andro sy tapany; ary tsy avelany halevina ao am-pasana ny fatiny.
- 10 Ary ny mponina ambonin’ ny tany mifaly azy ka ravoravo, ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny mponina ambonin’ ny tany ireo mpaminany roa ireo.
- 11 Ary rehefa afaka ny hateloan’ andro sy tapany, dia nisy fanahin’ aina avy tamin’ Andriamanitra niditra tao anatin’ ireo, ary nijoro tamin’ ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy.
- 12 Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy hoe: Miakara atỳ. Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin’ ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony.
- 13 Ary tamin’ izany ora izany dia nisy horohorontany mafy, ka rava ny ampahafolon’ ny tanàna, ary maty tamin’ izany horohorontany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an’ Andriamanitry ny lanitra.
- 14 Lasa ny loza faharoa; indro, avy faingana ny loza fahatelo.
- 15 Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin’ izao tontolo izao dia efa lasan’ ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.
- 16 Ary ny loholona fatra amby roa-polo, izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany eo anatrehan’ Andriamanitra, dia niankohoka ka nivavaka tamin’ Andriamanitra
- 17 nanao hoe: Misaotra Anao izahay, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, Satria nasehonao ny herinao lehibe, ka efa manjaka Hianao.
- 18 Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao Sy ny fotoana hitsarana ny maty, sy hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masìna ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany.
- 19 Ary novohana ny tempolin’ Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran’ ny fanekeny teo anatin’ ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗