요엘 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요엘 (Joel) · 5절
- 1 Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin’ ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana;
- 2 Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin’ izany andro izany.
- 3 Ary hanisy fahagagana eny amin’ ny lanitra sy etỳ amin’ ny tany Aho, dia rà sy afo ary setroka mitankosina.
- 4 Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho rà, alohan’ ny hahatongavan’ ny andron’ i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.
- 5 Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’ i Jehovah dia ho afa-mandositra; Fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan’ i Jehovah, ary izay antsoin’ i Jehovah dia ho isan’ izay afa-mandositra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗