요나 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요나 (Jonah) · 10절
- 1 Ary tonga fanindroany tamin’ i Jona ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
- 2 Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao.
- 3 Dia nitsangana Jona ka nankany Ninive araka ny tenin’ i Jehovah. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan’ Andriamanitra, dia lalana hateloana.
- 4 Ary Jona niantomboka nandeha tao an-tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.
- 5 Dia nino an’ Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin’ ny lehibe ka hatramin’ ny kely.
- 6 Ary nony efa ren’ ny mpanjakan’ i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin’ ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin’ ny lavenona.
- 7 Ary nasaina nantsoina sy nambara eran’ i Ninive araka ny didin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny ondry aman’ osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo.
- 8 Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’ Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra.
- 9 Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin’ ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika?
- 10 Ary rehefa hitan’ Andriamanitra ny nataon’ ireo ny amin’ ny nialany tamin’ ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin’ ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗