요나 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요나 (Jonah) · 16절
- 1 Ary tonga tamin’ i Jona, zanak’ i Amitahy, ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
- 2 Mitsangàna, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin’ ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany.
- 3 Nefa Jona nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan’ i Jehovah; ary nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia nandoa ny karamany ka niondrana taminy hiara-mandeha tamin’ ny tao ho any Tarsisy hiala eo anatrehan’ i Jehovah.
- 4 Fa Jehovah nahatonga rivotra mahery teny ambonin’ ny ranomasina, dia nanonja mafy ny ranomasina, ka dia efa nila ho vaky ny sambo.
- 5 Dia raiki-tahotra ny matilo, ka samy nitaraina tamin’ ny andriamaniny avy sady nariany tany anaty ranomasina ny zavatra tao an-tsambo mba hampahatony ny loza. Fa Jona kosa efa nidina nankao anaty sambo ka nandry renoky ny torimaso.
- 6 Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka nanao taminy hoe: Endrey ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna, ka antsoy ny Andriamanitrao, fa angamba hihevitra antsika Andriamanitra, ka dia tsy ho faty isika.
- 7 Ary dia samy nanao tamin’ ny namany hoe izy: Avia isika hanao filokana mba hizahantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika. Dia nanao filokana izy, ka Jona no azo.
- 8 Dia hoy ireo taminy: Masìna ianao, lazao aminay: Noho ny amin’ iza moa no mahatonga izao loza izao amintsika? Inona no raharaha fanaonao? Ary avy taiza ianao? Aiza no taninao? Ary avy amin’ ny firenen’ iza ianao?
- 9 Dia hoy izy tamin’ ireo: Hebreo aho; ary Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako, dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina.
- 10 Dia raiki-tahotra indrindra ny olona ka nanao taminy hoe: Adray izato ataonao izato! Fa fantany fa nandositra hiala eo anatrehan’ i Jehovah izy, satria efa nambarany taminy izany.
- 11 Dia hoy ireo taminy: Hataonay ahoana ary ianao mba hahatony ny ranomasina aminay? Fa mbola nihananonja ihany ny ranomasina.
- 12 Ary hoy izy tamin’ ireo: Betao aho, ka atsipazo any anatin’ ny ranomasina hahatony ny ranomasina aminareo; fa fantatro fa noho ny amiko no mahatonga izao onja mahery izao aminareo.
- 13 Nefa namaky onja fatratra ny olona mba hamerina ny sambo ho amin’ ny tany maina, fa tsy zakany, satria ny ranomasina mbola nihananonja mafy taminy.
- 14 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao izahay, Jehovah ô, aoka tsy ho faty izahay noho ny amin’ ny ain’ ity lehilahy ity ary aza atao ho mpandatsaka rà marina izahay; fa Hianao, Jehovah ô, efa nanao izay sitraky ny fonao.
- 15 Dia nobetain’ izy ireo Jona ka natsipiny tany anatin’ ny ranomasina; ary dia nitsahatra ny fisafoaky ny ranomasina.
- 16 Dia natahotra an’ i Jehovah indrindra ireo olona ireo ka namono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah sady nivoady.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗