로그인

예레미야 47장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 예레미야 (Jeremiah) · 7절

  1. 1 Ny tenin’ i Jehovah izay tonga tamin’ i Jeremia mpaminany ny amin’ ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an’ i Gaza.
  2. 2 Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria manafotra ny tany mbamin’ izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin’ izay monina ao aminy; Ka dia hitaraina ny olona, ary hidradradradra ny mponina rehetra amin’ ny tany.
  3. 3 Noho ny fikatrokatroky ny kitron’ ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon’ ny kalesiny ary ny fikotrototroky ny kodiany ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa efa miraviravy tanana,
  4. 4 Noho ny hihavian’ ny andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra amin’ ny mpamonjy an’ i Tyro sy Sidona; Fa horavan’ i Jehovah ny Filistina, dia ny sisa avy any amin’ ny nosy Kaftora.
  5. 5 Voaharatra Gaza, ringana Askelona mbamin’ ny sisa amin’ ny lohasahany; Mandra-pahoviana no mbola hitetika ny tenanao ianao?
  6. 6 Indrisy ry sabatr’ i Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midìra ao amin’ ny tranonao ihany; Mitsahara, ka mijanòna.
  7. 7 Hataony ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, eny, hamely an’ i Askelona mbamin’ ny eny amoron-dranomasina no efa nanendreny azy.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗