로그인

예레미야 45장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 예레미야 (Jeremiah) · 5절

  1. 1 Ny teny izay nataon’ i Jeremia mpaminany tamin’ i Baroka, zanak’ i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin’ ny taratasy avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, hoe:
  2. 2 Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny aminao, ry Baroka:
  3. 3 Hoy ianao: Idiran-doza aho ity! fa nampian’ i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana.
  4. 4 Lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia izao tany rehetra izao.
  5. 5 Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? aza mitady izany! fa, indro, hahatonga loza ho amin’ ny nofo rehetra Aho, hoy Jehovah; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’ izay rehetra nalehanao.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗