예레미야 20장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 예레미야 (Jeremiah) · 18절
- 1 Ary Pasora, zanak’ i Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon’ i Jehovah, raha nandre an’ i Jeremia naminany izany zavatra izany,
- 2 dia namely an’ i Jeremia mpaminany sady namatotra azy tamin’ ny boloky hazo izay teo am-bavahadin’ i Benjamina, dia ilay eo ambony, eo anilan’ ny tranon’ i Jehovah.
- 3 Ary nony ampitso, dia nesorin’ i Pasora tamin’ ny boloky hazo Jeremia. Dia hoy Jeremia taminy: Tsy nataon’ i Jehovah hoe Pasora ny anaranao, fa Magora-misabiba.
- 4 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hataoko fampangorohoroana ho an’ ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon’ ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan’ ny masonao izany; ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin’ ny sabatra.
- 5 Ary ny harena rehetra amin’ ity tanàna ity sy ny vokatry ny fisasarany rehetra sy ny zava-tsoany rehetra ary ny rakitry ny mpanjakan’ ny Joda rehetra dia samy hatolotro eo an-tànan’ ny fahavalony, ka dia hamabo sy haka azy ireny ary hitondra azy ho any Babylona.
- 6 Ary ianao, ry Pasora, sy izay rehetra mitoetra ao an-tranonao dia ho lasan-ko babo; ary ho tonga any Babylona ianao, ka any no hahafatesanao, ary any koa no handevenana anao mbamin’ ny sakaizanao rehetra izay efa naminanianao lainga.
- 7 Jehovah ô, notaominao aho ka voataona; Nosamborinao aho ka resinao; Tonga fihomehezana mandritra ny andro aho; Izy rehetra dia maneso ahy.
- 8 Fa na oviana na oviana no itenenako, dia tsy maintsy mitaraina aho, eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana! Fa ny tenin’ i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isan’ andro.
- 9 Dia hoy izaho: Tsy hanonona Azy aho na hiteny intsony amin’ ny anarany. Nefa izany dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin’ ny taolako; Ary sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka.
- 10 Fa reko ny endrikendriky ny maro, misy fampangorohoroana manodidina. Torio, eny, hotorintsika koa izy; Izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka manao hoe: Angamba ho voataona Izy, dia horesentsika sy hovaliantsika.
- 11 Kanefa Jehovah momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra, ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; Ho menatra indrindra izy, satria tsy hendry. Fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina izany!
- 12 Fa Hianao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo ho hitako ny famalianao azy, fa aminao no efa nanankinako ny adiko.
- 13 Mihirà ho an’ i Jehovah, miderà an’ i Jehovah; Fa Izy namonjy ny fanahin’ ny malahelo tamin’ ny tanan’ ny mpanao ratsy.
- 14 Ho voaozona anie ny andro izay nahaterahako! Aoka tsy hotahina anie ny andro izay niterahan’ ineny ahy!
- 15 Ho voaozona anie ny olona izay nitondra teny mahafaly tamin’ ikaky nanao hoe: Tera-dahy ianao! Ka nahafaly azy indrindra.
- 16 Aoka Izany lehilahy izany ho toy ny tanàna izay noravan’ i Jehovah ka tsy nanenenany; Ary aoka izy handre fitarainana nony maraina sy akoralava nony mitataovovonana,
- 17 Satria tsy nahafaty ahy tany an-kibo izy, hahatonga an’ Ineny ho fasako, ka hivesatra ahy mandrakariva ny kibony.
- 18 Nahoana re aho no nivoaka avy tany an-kibo mba hahita fahoriana sy alahelo, ka ho lany aman-kenatra ny androko!
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗