예레미야 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 예레미야 (Jeremiah) · 37절
- 1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:
- 2 Mandehana, ka miantsoa eo anatrehan’ i Jerosalema hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Tsaroako ny niraiketan’ ny fonao tamiko, fony ianao mbola tanora, sy ny fitiavanao, fony ianao vao nampakarina, dia ilay nanarahanao Ahy tany an-efitra, teny amin’ ny tany tsy mbola nifafy zavatra;
- 3 Masìna ho an’ i Jehovah ny Isiraely sady santatra amin’ ny vokany; Izay rehetra nihinana azy dia nohelohina, ny loza no nanjo ireny, hoy Jehovah.
- 4 Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ry taranak’ i Jakoba, sy ianareo, ry fokony rehetra amin’ ny taranak’ Isiraely!
- 5 Izao no lazain’ i Jehovah: Inona moa no tsy marina hitan’ ny razanareo tamiko, no dia nanalavitra Ahy izy sady nanaraka ny zava-poana, ka dia tonga zava-poana koa izy?
- 6 Ary izy tsy nanao hoe: Aiza Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta sady nitarika antsika tany an-efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan’ olona akory na nonenan’ olona?
- 7 Ary nitondra anareo niditra ho any amin’ ny tany mahavokatra Aho, mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, sady novetavetainareo ny lovako.
- 8 Ny mpisorona tsy nanao hoe: Aiza Jehovah? Ary ny mpiadidy ny lalàna tsy nahalala Ahy; Ny mpitondra koa nanota tamiko, ary ny mpaminany naminany tamin’ ny anaran’ i Bala ka nanaraka ireny tsy mahasoa.
- 9 Koa mbola hifandahatra aminareo Aho, hoy Jehovah, sy hiady amin’ ny zafinareo koa.
- 10 Fa mità ho any amin’ ny moron-dranomasin’ i Kitima, ka izahao, ary maniraha ho any Kedara, ka diniho tsara, dia aoka ho hitanareo na mba efa nisy toy izao, na tsia:
- 11 Moa nisy firenena efa nanova ny andriamaniny va? Nefa ireny dia tsy Andriamanitra akory. Fa ny oloko kosa efa nanakalo ny voninahiny tamin’ ireny tsy mahasoa ireny.
- 12 Talanjona amin’ izany ry lanitra! Ary matahora, ka mangorohoroa indrindra, ianareo! hoy Jehovah;
- 13 Fa zava-dratsy roa loha no nataon’ ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon’ aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.
- 14 Moa mpanompo va Isiraely? Ompikely va izy? Koa nahoana no voababo izy?
- 15 Hamely azy no ampieronan’ ny liona tanora sy amoahany feo ka mahatonga ny taniny ho lao nodorana ny tanànany, ka tsy nisy mponina.
- 16 Ny mponina tao Memfisa sy Tapanesa aza efa nampangadihady ny tampon-dohanao.
- 17 Moa tsy ny nahafoizanao an’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ ny andro nitondrany anao teny an-dalana va no nahatonga izany taminao?
- 18 Koa inona no anton’ ny ankanesanao amin’ ny lalana mankany Egypta Hisotro ny ranon’ i Sihora? Ary inona no anton’ ny ankanesanao amin’ ny lalana mankany Asyria hisotro ny rano amin’ ny Ony?
- 19 Ny haratsianao no anafaizana anao, ary ny fihodinanao no ananarana anao; Koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny tsy nisian’ ny tahotrao Ahy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
- 20 Fa hatramin’ ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao sy efa nanitosanao ny fatoranao, ka hoy ianao: Tsy hety hanompo aho; Nefa teny amin’ ny havoana andrandraina sy teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra no nandrianao nijangajanganao.
- 21 Fa Izaho namboly anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; Ka ahoana no nanjary sampany ratsy ianao ho voaloboka hafa?
- 22 Fa na dia misasa sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra eo anatrehako ihany, hoy Jehovah Tompo.
- 23 Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao tany amin’ ilay lohasaha, fantaro izay nataonao, ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ ny alehany,
- 24 Sy ry borikivavi-dia tamàna any an-efitra, izay manimbolo ny rivotra noho ny faniriany; Ary ny fahamaimaizany iza no mahasakana azy? Izay rehetra mitady azy dia tsy ho sasa-poana; Fa amin’ ny volany no hahitany azy.
- 25 Aza esorina ny kapa amin’ ny tongotrao; Ary aoka tsy ho maina ny tendanao; Nefa hoy ianao: Tsy misy fanantenana; Tsia! fa ny hafa no tiako, ka dia hanaraka azy aho.
- 26 Toy ny fangaihain’ ny mpangalatra, raha azo, dia toy izany ny fangaihain’ ny taranak’ Isiraely, eny, izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny,
- 27 Dia izay manao amin’ ny tapa-kazo hoe: Raiko ianao, ary amin’ ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin’ ny andro fahoriany kosa dia vao hanao hoe izy: Mitsangàna, ka vonjeo izahay.
- 28 Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy anao amin’ ny andro fahorianao fa araka ny isan’ ny tanànanao, ry Joda, no isan’ ny andriamanitrao.
- 29 Nahoana no mifandahatra amiko ianareo? Fa samy efa niodina tamiko ianareo rehetra, hoy Jehovah.
- 30 Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.
- 31 Ry taranaka, dinihonareo ny tenin’ i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an’ ny Isiraely va Aho, na tany maizim-pito? Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany aminao intsony?
- 32 Hanadino ny firàvany va ny virijina, na hanadino ny fehin-kibony misy haingony va ny ampakarina? Nefa tsy hita isa ny andro nanadinoan’ ny oloko Ahy.
- 33 Kanto izany fandehanao hitady fitia izany, ka zarinao ho amin’ ny ratsy ny dianao!
- 34 Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran’ ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny, tsy tamin’ ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin’ izany rehetra izany.
- 35 Nefa hoy ianao: Tsy manan-tsiny aho, efa afaka amiko tokoa ny fahatezerany. Indro, hifandahatra aminao Aho noho ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho.
- 36 Nahoana ianao no maika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin’ i Egypta koa ianao, toy ny nahamenaranao noho ny amin’ i Asyria.
- 37 Izany koa dia hialanao, ka hiloloha tanana ianao; Fa nolavin’ i Jehovah ny tokinao, ka tsy hambinina amin’ ireo ianao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗