열왕기하 8장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 열왕기하 (2 Kings) · 29절
- 1 Ary Elisa efa niteny tamin-dravehivavy, renin’ ilay zaza maty novelominy, ka nanao hoe: Miaingà, ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin’ izay azonao hivahiniana; fa Jehovah efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin’ ny tany.
- 2 Dia niainga ravehivavy ka nanao araka ny tenin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra; eny, lasa izy sy ny ankohonany ka nivahiny fito taona tany amin’ ny tanin’ ny Filistina.
- 3 Ary nony afaka ny fito taona, dia nody avy tany amin’ ny tanin’ ny Filistina ravehivavy; ary lasa nitaraina tamin’ ny mpanjaka izy ny amin’ ny tranony sy ny taniny.
- 4 Ary ny mpanjaka niteny tamin’ i Gehazy, zatovon’ ny lehilahin’ Andriamanitra, hoe: Masìna ianao, lazao amiko izay zava-dehibe rehetra nataon’ i Elisa.
- 5 Ary raha mbola nilazalaza tamin’ ny mpanjaka ny amin’ ny nameloman’ i Elisa ny maty izy dia, indro, ilay vehivavy renin’ ny zaza maty novelominy, nitaraina tamin’ ny mpanjaka ny amin’ ny tranony sy ny taniny. Ary hoy Gehazy: Ry mpanjaka tompoko ô, ity ilay vehivavy, ary io koa ilay zanany maty novelomin’ i Elisa.
- 6 Ary nony nanontanian’ ny mpanjaka ravehivavy, dia nilaza. Ary dia notendren’ ny mpanjaka ny tandapa anankiray ka nomeny teny hoe: Avereno izay azy rehetra, ary onero ny vokatry ny taniny rehetra hatramin’ ny andro nialany tamin’ ny tany ka mandraka ankehitriny.
- 7 Ary Elisa tonga tany Damaskosy tamin’ i Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, narary; ary nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin’ Andriamanitra.
- 8 Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Hazaela: Mitondrà fanomezana eny an-tananao, ka mandehana, mitsenà ilay lehilahin’ Andriamanitra, ary manontania izay tenin’ i Jehovah aminy ka ataovy hoe: Ho sitrana ihany va aho amin’ izao aretiko izao?
- 9 Dia lasa Hazaela nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin’ izay zava-tsoa rehetra any Damaskosy, dia entana entin-drameva efa-polo; ary tonga izy ka nitsangana teo anatrehany ary nanao hoe: Beni-hadada zanakao, mpanjakan’ i Syria, no naniraka ahy ho atỳ aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin’ izao aretiko izao?
- 10 Ary hoy Elisa taminy: Mandehana, ka lazao aminy hoe: Eny, ho sitrana tokoa ianao. Kanefa Jehovah efa naneho ahy fa ho faty tokoa izy.
- 11 Ary nibanjina azy mandra-pikaodikaodiny izy; ary dia nitomany ny lehilahin’ Andriamanitra.
- 12 Ary hoy Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary izy namaly hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin’ ny Zanak’ Isiraely: ny fiarovany mafy hodoranao, ny zatovony hovonoinao amin’ ny sabatra, ny zanany madinika hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy hotatahanao.
- 13 Fa hoy Hazaela: Fa zinona moa ny mpanomponao, dia ity alika ity, no dia hahavita izany zavatra lehibe izany? Fa Elisa namaly hoe: Efa nasehon’ i Jehovah tamiko fa, indro, ianao ho mpanjakan’ i Syria.
- 14 Dia niala tamin’ i Elisa izy ka nankany amin’ ny tompony; ary izy nanontany azy hoe: Ahoana no nolazain’ i Elisa taminao? Dia namaly hoe izy: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao.
- 15 Ary nony ampitso, dia nalain’ i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin’ ny rano ary nasarony ny tavan’ i Beni-hadada, ka dia maty izy; ary Hazaela no nanjaka nandimby azy.
- 16 Ary tamin’ ny taona fahadimy nanjakan’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Jehorama, zanak’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny nanjakan’ i Josafata tany Joda.
- 17 Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
- 18 Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba, fa ny zanakavavin’ i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
- 19 Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny Joda noho ny amin’ i Davida mpanompony, araka ilay nolazainy taminy fa homeny jiro mandrakizay ho an’ ny taranany.
- 20 Tamin’ ny androny no niodinan’ i Edoma ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy;
- 21 ka dia nankany Zaïra Jehorama, ary ny kalesy rehetra nentiny hiaraka aminy; ary nanaovany latsak’ alina ny Edomita, izay nanodidina azy, mbamin’ ny komandin’ ny kalesy; ary ny olona nandositra nody.
- 22 Ary Edoma mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. Ary Libna koa dia niodina tamin’ izany andro izany.
- 23 Ary ny tantaran’ i Jehorama sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va?
- 24 Ary Jehorama lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ i Davida; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
- 25 Ary tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo nanjakan’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Ahazia, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda,
- 26 Roa amby roa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanakavavin’ i Omry, mpanjakan’ ny Isiraely.
- 27 Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny taranak’ i Ahaba izy, ka nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba, fa vinanton’ ny taranak’ i Ahaba ihany izy.
- 28 Ary niaraka tamin’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, izy mba hiady amin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, tany Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an’ i Jorama.
- 29 Dia niverina Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin’ ny feriny tamin’ ny nahavoazan’ ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria. Ary Ahazia, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda, nidina hamangy an’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗