열왕기하 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 열왕기하 (2 Kings) · 27절
- 1 Ary Namàna, komandin’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Syria, dia olona lehibe teo anatrehan’ ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen’ i Jehovah an’ i Syria; ary lehilahy mahery izy, nefa kosa boka.
- 2 Ary ny Syriana nivoaka nanao an-tokony ka nitondra ny zazavavy kely anankiray babo avy tany amin’ ny tanin’ ny Isiraely; ary nanompo ny vadin’ i Namana io.
- 3 Ary hoy io tamin’ ny tompovaviny: Enga anie ka mba ao amin’ ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy amin’ ny habokany izy.
- 4 Ary niditra Namana ka nilaza tamin’ ny tompony hoe: Izany ka izany no nolazain’ ilay zazavavy izay avy tany amin’ ny tanin’ ny Isiraely.
- 5 Dia hoy ny mpanjakan’ i Syria: Andeha ary mandeha, fa hampitondra taratasy ho any amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely aho. Dia lasa izy sady nitondra talenta volafotsy folo sy volamena enina arivo sekely ary akanjo im-polo miova teny an-tànany.
- 6 Ary izy nitondra ny taratasy ho any amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely nanao hoe: Ary raha tonga atỳ aminao ity taratasy ity, dia ho fantatrao fa efa nampandeha an’ i Namàna mpanompoko aho hankatỳ aminao, koa sitrano amin’ ny habokany izy.
- 7 Ary nony efa novakin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ny taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nanao hoe: Andriamanitra va aho ka hahafaty na hahavelona, no anirahan’ ilehiny atỳ amiko mba hahasitrana olona amin’ ny habokany? Koa masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila ady amiko mihitsy izy.
- 8 Ary rehefa ren’ i Elisa, lehilahin’ Andriamanitra, fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan’ ny Isiraely, dia naniraka tany amin’ ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka izy hankatỳ amiko, dia ho fantany fa misy mpaminany tokoa ao amin’ ny Isiraely.
- 9 Ary dia nandeha Namàna nitondra ny soavaliny sy ny kalesiny ka nijanona teo am-baravaran’ ny tranon’ i Elisa.
- 10 Ary Elisa naniraka olona tany aminy hilaza hoe: Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.
- 11 Fa tezitra Namàna, dia lasa ka nanao hoe: Indro, nataoko fa hivoaka hankatỳ amiko mihitsy izy ka hitsangana ary hiantso ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny sady hanevaheva ny tànany eo ambonin’ ny aretina ka hahasitrana ny boka.
- 12 Tsy tsara noho ny ranon’ ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin’ i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin’ ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana.
- 13 Dia nanatona ny mpanompony ka niteny taminy hoe: Ry ikaky ô, na dia zavatra lehibe aza no nasain’ ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka va, raha hoy izy aminao: Mandroa, dia hadio ianao?
- 14 Dia nidina izy ka nisitrika tao Jordana impito araka ny tenin’ ny lehilahin’ Andriamanitra: ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy.
- 15 Ary niverina nankao amin’ ny lehilahin’ Andriamanitra izy mbamin’ izay rehetra nanaraka azy, dia tonga tao ary nitsangana teo anatrehany ka nanao hoe: Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin’ ny tany rehetra, afa-tsy ato amin’ ny Isiraely ihany koa masìna ianao, raiso ny saotra aterin’ ny mpanomponao.
- 16 Fa hoy izy: Raha velona koa Jehovah, Izay itsanganako eo anatrehany, tsy handray mihitsy aho. Ary nanery azy handray izy; fa tsy nety Elisa.
- 17 Ary hoy Namana: Masìna ianao, moa tsy homena tany zakan’ ny ampondra roa va izaho mpanomponao? fa ny mpanomponao tsy mba hanatitra fanatitra dorana na fanatitra hafa intsony ho an’ ny andriamani-kafa, fa ho an’ i Jehovah ihany.
- 18 Nefa ny amin’ izao zavatra izao dia aoka havelan’ i Jehovah ny heloky ny mpanomponao: raha ny tompoko miditra ao an-tranon-dRimona hiankohoka ao ary mitehina amin’ ny tanako, ka mba miankohoka ao an-tranon-dRimona aho, raha miankohoka ao aho, Jehovah anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin’ izany zavatra izany.
- 19 Ary hoy izy taminy: Mandehana soa aman-tsara. Ary dia niala taminy izy ka lasa lavidavitra.
- 20 Fa hoy Gehazy, zatovon’ i Elisa, lehilahin’ Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Namàna Syriana ity ka tsy nandray tamin’ ny tànany izay zavatra nentiny, fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy.
- 21 Ka dia lasa Gehazy nanaraka an’ i Namàna Ary nony tazan’ i Namàna avy mihazakazaka manaraka azy izy, dia niala faingana tamin’ ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany va?
- 22 Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin’ ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin’ ny tany havoan’ i Efraima; koa masìna ianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy.
- 23 Ary hoy Namàna: Aoka handray talenta roa ianao. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin’ ny fitafiana indroa miova, ka nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary nitondra izany teo alohany ireo.
- 24 Fa nony tonga tao amin’ ny havoana izy, dia nalainy teny an-tànany izany ka napetrany tao an-trano; dia nampandehaniny ireo, ka dia lasa izy.
- 25 Fa Gehazy kosa niditra ka nitsangana teo anatrehan’ ny tompony. Ary hoy Elisa taminy: Avy taiza ianao, ry Gehazy? Dia hoy izy: Tsy avy taiza tsy avy taiza ny mpanomponao.
- 26 Fa hoy kosa Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin’ ilay nihodina niala tamin’ ny kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin’ oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman’ osy, na omby, na ankizilahy, na ankizivavy va izao?
- 27 Koa ny habokan’ i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗